La Gazette de la grande ile

LAVA MASO

Publié le 06 juillet 2022

Lehilahy malina, ingahy Razefa. Tsy mba tiany izany hoe tampohina izany, ka dia vidiny tsikelikely ny zavatra tokony hilaina rehetra. Ohatra : Mety hisondrotra, HONO, ny lasantsy, dia indro ny anao lahy fa nanangona lasantsy tamin’ny « bidon » maromaro. Ohatra : Mbola mianatra koa ny zanany, dia efa itadiavany asa tsikelikely, sao, hono, mijanona tampoka amin’ny fianarany.

Indray andro, ity izy, hitan’ny sakaiza mpiara-miasa aminy mifidy lamba mainty fisaonana tao amin’ity mpivaro-damba iray. Gaga ity sakaizany, ka nanontany azy :

– Fa iza, r’ise, no maty ?

– Tsy misy – kah

– Ka atao inona ity lamba mainty fisaonana ?

– Ny rafozako, r’ise, no vao nampidirina Hopitaly anikeo atoandro a

– ???

Lire aussi