La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday

Publié le 06 juillet 2022

Mbola fiarovam-pirenena iankinan-doha hatrany

Raha misy singa iray tokony hibaribarian’ny fiandrianam-pirenena dia ny sehatry ny fiarovam-pirenena izany. Raha ny firenena no ratsy aro na fiarovana ianteherana amin’ny hafa dia aza manantena hanjary izay hatao. Anakandriamaso mantsy, hoy ny malagasy, ny fiarovam-pirenena ka tena tandremana mafy mihitsy.

Raha nankalaza ny tsingerin-taona faha-62 nijoroany ny tafika malagasy tamin’ny faha-26 jona teo dia toa midika izany fa efa 62 taona koa ny nananan’ny firenena malagasy ny fiandrianany teo amin’izany fiarovam-pirenena izany. Tsia anefa no valiny. Raha ny Repoblika voalohany manokana no asiana resaka dia isan’ny fototry ny fanavaozana ny dinam-piaraha-miasa (accord de cooperation) teo amin’i Madagasikara sy i Frantsa tamin’ny 1973 satria isan’ny notakian’ny vahoaka tamin’ny May 1972 ny fanalana ireo tafika frantsay tany Antsiranana sy teny Ivato, ary ny fanesorana ny Amerikana tao Imerintsiatosika. Toeram-pamaharan-dry zalahy ireo. Midika izany fa nandritra ny Repoblika voalohany dia tsy voahaja ny fiandrianampierenena teo amin’ny lafiny fiarovam-pirenena manokana.

Ny taorian’ny 1973 koa anefa dia mbola nibaribary ny tsy fahavitantsika mampanaja izany fiandrianampirenena izany eo amin’ny lafiny fiarovam-pirenena. Mbola feno manamboninahitra frantsay ao anatin’ny tafika malagasy, izay ambara hoe « vokatry ny fiaraha-miasan’ny tany roa tonta ». « Cooperants » no iantsoana ireny manamboninahitra frantsay ireny. Ambonin’izany, araraotin’ny mpitondra fanjakana nifandimby teto nandemena ny sain’ny vahoaka ny fahazoana fanampiana ara-tafika amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa ara-tafika, ka manomboka amin’ny kiraron’ny miaramila ka hatramin’ny fitaovana lafo vidy no ifanaovana velirano amin’i Frantsa fa « omena alalana sy tso-drano hiriaria sy hilalao malalaka ary mibaiko ao anatin’ny tafika malagasy ny frantsay ». Ny faneren’i Frantsa ankolaka ny mpitondra fanjakana hividy fitaovam-piadiana efa lany andro any amin-dry zareo moa, tsy ambara intsony.

Amin’izao fotoana dia ny frantsay mihitsy no tompon-kevitra amin’ny fametrahana foibe fitiliana sy fanaraha-maso ny sisin-tany malagasy izay vao napetraka any Taolagnaro ny alatsinainy teo na ilay antsoina hoe « Sémaphore ». Ao anatin’izany, hono, ny fiarovana ny moron-tsiraka malagasy sy ny asa rehetra takian’ny  zava-miseho eny andranomasina, ary ao koa ny jono tsy ara-dalana ao andranomasina malagasy ao.

Fiankinan-doha amin’ny any ivelany, amin’ny vahiny, indrindra fa ny Frantsay no manjaka eo amin’ny sehatry ny fiarovam-pirenena. Tsy midika akory izany fa hiankin-doha amin’ny amerikana na ny arabo na ny rosiana na ny sinoa indray.

Tsy hafa ny vahaolana raha te hanaja ny fiandrianam-pirenena amin’ny tontolon’ny fiarovam-pirenena isika ka tsy hiankin-doha amin’ny vahiny. Tsy inona io fa ny fianteherantsika amin’ny harem-pirenentsika ka fehezintsika ny fitrandrahana mba tsy ho gaboraraka ary fehezintsika ny fanondranana mba tsy ho antsokosoko. Havaozy koa ny fifanarahana nifanaovana tamin’ireo orin’asa goavana mpitrandraka harena eto, dia ny Ambatovy sy ny Qmm fa hahomby izany rehetra izany.

Tohanana

Lire aussi