La Gazette de la grande ile

Famerana ny vidin’entana : Mbola mitohy mandritra ny telo volana

Publié le 07 juillet 2022

Ankaotra ny fanafarana entana mivantana ataon’ny Fanjakana amin’ny alàlan’ilay orinasa SPM (State procurment of Madagascar), dia vahaolana napetraky ny Fanjakana iadiana amin’ny fidangan’ny vidim-piainana eto amintsika koa ny famerana ny vidin’ireo entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavan’andro (PPN) toy ny vary, ny menaka, siramamy, sns sns.

Tsiahivina fa telo volana no faharetan’io fepetra io araka ny nofanarahana tamin’ireo orinasa mpanafatra entana any ivelany, ny mpamogady ary ny mpaninjara. Efa hifarana tsy ho ela moa io fe-potoana napetraka io ka fantatra ankehitriny fa mbola hiampy telo volana indray izany araka ny loharanom-baovao avy amin’ny ministera misahana ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana.

Tsy maintsy hisy fiovana anefa ny vidin’ireo entana nasiana fetrany ireo ka tsy hitovy amin’ny vidiny amin’izao fotoana izao intsony. Efa nisy ny fihaonana teo amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny ministera sy ireo mpandraharaha, andro vitsy lasa izay, ary mbola hisy ny fihaonana manaraka, atsy ho atsy, raha ny fanazavana azo. Ny tanjona amin’izany dia ny fitadiavana ny mariamaritra iraisana amin’ny vidin’entana vaovao hapetraka mandritra ny telo volana manaraka.

F. Tsihiavonana

Lire aussi