La Gazette de la grande ile

Solika -JIRAMA : Mandainga ny ministeran’ny angovo

Publié le 07 juillet 2022

Nampanao « réquisition » tany amin’ny ladoany tany Toamasina indray ny ministeran’ny angovo. Mitondra fanazavana ny voalohan’ny herinandro ny dircab ny angovo Odon Marius Randrianaina izay nilaza fa ny Ladoany ao Toamasina izay miandraikitra ny raharahan-tsolika no nahatonga ilay delestazy lavareny teto Antananarivo tamin’ny asabotsy faha 02 jolay 2022 lasa teo. Ny loharanom-baovao azo antoka navoakan’ny mpiandraikitra ny solika tao amin’ny seranan-tsambo tao Toamasina dia mazava fa nanomboka ny alakamisy faha 30 jona 2022 teo dia nanery ny serana-tsabo tao Toamasina tamin’ny alalan’ny “requisition” ny minisitry ny angovo Andry Ramaroson. Solika mavesatra (fuel) 194 000 litatra no nalain’ny JIRAMA. Hatramin’ny faha 05 jolay 2022 dia nahatratra 1 819 000 litatra izany.

Mandainga ity minisitera ity satria manosopotaka ny Ladoany. Ny tena olana koa nefa dia ny taratasy izay “requisition” navoakan’ingahy minisitry ny angovo Andry Ramaroson izay manery ny ladoany any Toamasina  hanome solika ny jirama satria tsy misy akory ny fankatoavan’ny minisitry ny vola sy ny toekarena izany ramatoa Hasimbelo Rabarinirinarison. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia tsy nandalo tao amin’ny tale jeneran’ny toe-karena sy ny vola koa ity “requisition” ity.

Mahazo mangalatra ny minisitra ary tsy azo enjehina. Ny fitsarana natao hitsara ny mpitondra ambony eto Madagasikara (HCJ) dia tohanan’ny depiote tsy avelany hiasa.

Tena izao zavatra mitranga eto amin’ny firenena izao dia efa azo lazaina fa fanjakan’i Baroa tanteraka.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi