La Gazette de la grande ile

IRD : Lany lainga

Publié le 07 juillet 2022

Azo lazaina fa vondrona politika tsy afa-mihetsika intsony ny IRD (isika rehetra miaraka amin’i Rajoelina). Ahitana antoko politika maromaro ny vondrona politika ity. Isan’ny loha laharana amin’izany ny TGV (Tanora Malagasy Vonona), manaraka azy ny Mapar(miaraka amin’ny prezida Rajoelina), ary fikambanana maro izay tsy milaza fa mpanao politika fa manohana an’ingahy filoha mamim-bahoaka  fotsiny izao.

Tsy misy mihitsy ny hetsika izay ataon’ity vondrona IRD ity. Mpiandry tombotsoa avy amin’ny fitondrana sisa no ataon’ireo mpikambana ao. Ny ankamaroan’ny mpikambana ao aminy dia efa nivadika sy nifindra antoko na fikambanana avokoa. Tsy manana fandaharanasa na tetika ho entina hiarovana ny fanjakana intsony ity IRD ity hatramin’izao. Efa misy antokon’olona ao anatin’ny fikambanana no mieritreritra hanorina vondrona hafa nanoloana ity fikambanana politika ity.

Manakaiky ny fifidianana ka tsy maintsy mitady fomba hafa hisintonanana ny vahoaka indray ny mpanao politika. Ny IRD ve mbola ho azo antoka fa ho fitaovana hampandresena ny filoham-pirenena? Azo lazaina fa tena takona sy maizina izany satria lany lainga ity fikambanana ity ka efa mitsipozipozy.

Azo lazaina koa fa ho toa ny HVM (hery vaovao hoan’I Madagasikara) ity fikambanana politika ity ka ho olona vitsy sisa no hijanona ao. Mafy dia mafy koa ny ady an-trano ao anatin’izy ity ka isan’ny olana lehibe koa izany.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi