La Gazette de la grande ile

AKOM-BAOVAO SAMIHAFA

Publié le 07 juillet 2022

Antoko Maitso

Lasa mpanohana TIM ireo sisa tavela ao

Tsy azo atokisana intsony ity antoko Maitso ity, raha ny vaovao nampitain’ny mpikambana ao aminy. Lasa manohana sy mirona tanteraka amin’ny fanohanana ny Tim avokoa ny ankamaroan’ireo mpikambana miara-dalana amin’ i Alexandre Georget, minisitra teo aloha misahana ny tontolo iainana, sady mpitantana ny antoko Maitso amin’izao fotoana. Miara-dalana aminy i Stephanie (vadiny) izay anabavin’i Guy Rivo Randrianarisoa, izay mahasahy mandidy manapaka ao amin’ny minisitera ankehitriny, hoy ireo mpikambana nanohana ny filohampirenena hatramin’izay. Lasa nataon’ny minisitra teo aloha sy ny vadiny fitadiavam-bola no fangoronan-karena ny tsenam-baro-panjakana eo anivon’ny ministeran’ny tontolo iainana amin’izao fotoana izao. Miharihary ankehitriny ny fanohanan’ity minisitra teo aloha ity sy ny mpiara-dia aminy ny antoko Tim. Nitsipa-doha ny laka nitana avokoa ny olona napetraky ny filohampirenana izay nitokisana. Hisy ny fahadisoam-panatenana, koa aza gaga amin’ny vokam-pifidianana ho avy.

Vola 797 049 dolara

 Rakitry ny vondrona afrikana

 Hiatrehana ny loza voajanahary toy ny rivo-doza , ny haintany izay natokan’ny Vondrona Afrikana ny rakitra mitentina 797 049 dolara. Fampitaovana ny fiarovana mba hiantohana ny takaitra, ary hisorohana ny loza tsy hahazo vahana ny « Logicel d’assurance ». Ny CPGU (Cellule de Prévention et d’appui à la Gestion des Urgences) no hiandraikitra izany, araka ny fanazavana avy amin’ny mpandrindra nasionaly, Mbolatiana Randriamiarinosy.

Fampiankarana saran-dalàna

Aza andrasana ny hatezeram-bahoaka

Mivadi-dela hatrany ireo tomponandraikitra misahana ny fitateram-bahoaka Uctu. Namoaka fanambarana izy ireo omaly fa tsy mbola tapa-kevitra ny hampiakatra ny saran-dalana indray. Hiandry ny fanapahan-kevitra avy amin’ny fanjakana amin’ny famaritana ny vidin-tsolika no anton’izany. Hitroatra  io vahoaka io  noho ny tsy fahamatorana misy na avy amin’ny Uctu na avy amin’ny fanjakana, izay lasa mampisavorovoro ny fiainam-bahoaka amin’ny andavanandro. Tokony hiandry hatrany fanapahan-kevitra iraisana vao handefa ny serasera amin’ny fampiakarana saran-dalana na ny solika, raha hisy izany. Aza avela hirongatra ny hatezeram-bahoaka fa ny fanajana ny kalitaom-pitaterana ho an’ny mpanjifa misy eto, dia aotra tanteraka.

Nangonin’i Soarak

Lire aussi