La Gazette de la grande ile

Orinasa SECREN : Mitohy ny halatra manara-penitra

Publié le 07 juillet 2022

Raha nanao fampielezan-kevitra tany Antsiranana ny filoha ankehitriny, tamin’ny taona 2018, dia anisan’ny fampanantenana lehibe nataony tamin’ny vahoaka any an-toerana ny fanarenana ny SECREN (Société d’études, de construction et de réparation navales) izay orinasam-panjakana reharehan’ny tanànan’Antsiranana hatramin’izay. Nilaza mihintsy ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana fa atao sangany aty Afrika eo amin’ny fanamboarana sy fikojakojana sambo ny SECREN, ary mbola nohamafisin’ny filoha io teny nataony io rehefa nanao fitsidihana tany an-toerana izy, ny volana septambra 2021. Mifanohitra amin’izany tanteraka anefa ny zava-misy, ankehitriny, araka ny fanambarana nataon’ny solontenan’ny mpiasa satria mitohy foana ny halatra sy ny fanodikodinam-bola ataon’ny tale jeneralin’ny orinasa Ntsay Abel izay rahalahin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky.

Tao anatin’ny taona vitsy izay no efa nampaneno lakilosy matetika amin’ny alàlan’ny fanambarana ireo delegen’ny mpiasa eo anivon’ny SECREN manoloana ny fanapotehina ny orinasa ataon’ireo mpitantana. Tompon’andraiki-panjakana maro no efa nanantonan’izy ireo nanaovana fitarainana kanefa tsy misy mihintsy ny fandraisana andraikitra. Efa volana maro koa izao no nangataka fihaonana mivantana amin’ny filoham-pirenena ny solontenan’ireo mpiasa mba hanazavana ny tena zava-miseho marina ao amin’ity orinasam-panjakana ity, saingy tsy mbola nahazo valiny ny fangatahana mandrak’ity ny androany. Ny orinasa anefa mikoroso fahana andro aman’alina noho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny halatra bevava misy ao. Fitarainana ataon’ireo mpiasa ihany koa ny momba ny karaman’izy ireo amam-bolana maro tsy mbola voaloa. Araka ny fanazavana azo dia efa maro amin’ny zanak’izy ireo no tsy afaka mandeha an-tsekoly intsony noho ny fahasahiranana.

Miseho amin’ny endrika samihafa ny halatra misy eo anivon’ny SECREN raha ny nambaran’ny solontenan’ireo mpiasa. Isan’izany ohatra ny fanodikodinana ny vola azon’ny orinasa sy ny fanampiana omen’ireo mpiaraha-miombon’antoka avy any ivelany toy ny OIT (Organisation internationale du travail), ny fangalaram-bola amin’ny alàlan’ny « etat de remboursement », ary amin’izao fotoana izao dia taomina hatramin’ny fitaovana sy ny vy ao amin’ny orinasa izay tsy fantatra hoe atao inona. Raha ny filazan’ireo mpiasa dia fiarabe mihintsy no mitaona ireo fitaovana ireo ary matetika no hitragan’izany. Mahatsiaro tena ho nampiesonin’ny fitondrana fotsiny moa ireo mpiasan’ny SECREN izay tena nahatoky ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena. Ankehitriny dia manahy izy ireo hoe iniana potehina mihintsy ity orinasam-panjakana ity ary miray tsikombakomba amin’izany ny mpitondra matoa tsy misy mihintsy ny fandraisana andraikitra na dia efa hita izao fa halatra manara-penitra no manjaka ao.

F. Tsihiavonana

Lire aussi