La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday

Publié le 07 juillet 2022

Mirary loza ho an’ny vahoaka hatrany ny mpanohitra

Hafa samy mpanohitra ireo mpilalao politika miara-dia amin-dRavalomanana amin’izao fotoana. Mba nanaraka ny hetsi-panoherana sy fanehoan-kevitra ho fanoherana ny fitondrana tamin’ny fotoana rehetra teto ihany isika fa hafa ny Tim sy ny mpiara-dia aminy. Hatramin’ny 2009 no mankaty no misora-tena ho mpanohitra ry Ravalomanana. Misora-tena ho mpanohitra, hoy izahay, satria rehefa ifotorana ny hevitra voizin-dry zareo dia tsy misy hevitra mifanohitra amin’ny ijoroan’ny mpitondra mihitsy. Samy miankohoka sy mivavaka andro aman’alina amin’ny Banky Mondialy sy ny FMI ary samy miankin-doha amin’ny hery vahiny, samy tsy misy miaro ny fiandrianam-pirenena.

Hafa amin’ny fomba fanoherana hatrizay ny fanoheran’ny Tim sy ny firongony satria ny an-dry zareo dia ny famotehana ny firenena, famonoana vahoaka no mahadodona azy ireo.

Tamin’ny 2009 dia sahin’ny Tim sy ny mpiara-dia aminy ny mitaky ny fianakaviambe iraisampirenena tsy hanampy sy tsy hamatsy vola ho an’ny tetik’asa isan-tokony teto, na ho fanarenana ny fiainam-bahoaka, na hamonjena ny vahoaka noho ny voina voajanahary aza.

Tsy miova akory izany hatramin’izao satria nisora-tena ho mpanohitra hatrany ny Tim sy ny mpiara-dia amin-dRavalomanana nanomboka ny 2009. Mivavaka mihitsy ry zareo mba hanasazian’ny fianakaviambe iraisampirenena ny firenena malagasy.

Amin’izao fotoana dia takian-dry zareo indray ny hampiharana ny vidiny tena izy amin’ny vidim-piainana (verité de prix), ka ny vidin-tsolika no nambaran-dry zareo voalohany mba hampiharana izany.

Ny mpitondra fanjakana na ry Andry Rajoelina no tsy tian-dry zareo, ny sezan-dRajoelina no tetehin-dry zareo ho azo nefa ny vahoaka malagasy no ilofosany hokendain’ny fianakaviambe iraisampirenena.

Mba tsapan-dry Ravalomanana sy ny namany ve aloha fa raha ampiharina ny vidin-javatra tena izy ka tsy ry Rajoelina ange no ho voa mafy amin’io fa ny vahoaka e ! Ny mpanohitra, hoy i Paul Rabary, dia ny fipoahana ara-tsosialy (explosion sociale) no tetehiny hitranga, ka rehefa miseho izay fipoahana ara-tsosialy izay dia miongana amin’ny toerany ny mpitondra.

Izay dia efa endrika iray isehoan’ilay hoe « mirary loza ho an’ny vahoaka hatrany ny mpanohitra », satria ny vahoaka potika vokatry ny fipoahana ara-tsosialy izany tsy olana amin-dry Ravalomanana fa ry Rajoelina hiongana mba hiakarany eo amin’ny toerana no zava-dehibe aminy.

Etsy an-kilany, ny fipoahana ara-tsosialy koa dia mety hitranga na tsy mivavaka ho amin’izany aza ny mpanohitra fa ny mpitondra tsy mikatsaka ny vahaolana mahomby no tena tsy mendrika ny maha-mpitondra koa.

Ny tsy fitadiavan’ny mpitondra vahaolana mahomby dia mitovy amin’ny fivavahan’ny mpanohitra loza ho an’ny vahoaka ihany satria ny vokany dia ny fihomboan’ny fahasahiranam-bahoaka hatrany. Noho izany, fahendren’ny mpitondra ny manao izay hahatapi-dalan-kaleha ny mpanohitra sady mba tsy hitrangan’ny fahasahiranana mavesatra ho an’ny vahoaka hatrany, ka tsy misy afa-tsy ny vahaolana mahomby amin’ny alalan’ny fifehezana ny harem-pirenena sy ny fisakanana ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena ary ny fianteherana amin’ny herim-bahoaka no hany fanoitran’izany.

Tohanana

Lire aussi