La Gazette de la grande ile

Teleferika : Tsy manaja ny « zone rouge »

Publié le 07 juillet 2022

Miteraka resabe eto amin’ny firenena ity raharaha ny fanaganana teleferika na ilay fitanterana mitsingevana an-taribia ity eto Antananarivo. Teren’ny fanjakana atao ihany ity raharaha ity na dia efa tsy eken’ny ankamaroan’ny Malagasy aza.

Ankehitriny dia efa manatanteraka ny fananganana ny andry (Poteau) hitaritana izany amin’ny làlana izay handalovan’ity fitanterana teleferika ity ny fitondrana ankehitriny. Miteraka olana lehibe ny fametrahana izany amin’ny toerana izay antsoina hoe “ zone rouge ” (toerana stratezika) izay misy ny lapa na ny miaramila na koa ny misy ireo ambasadaoro vahiny.

Eny amin’ny faritra Ivandry iny dia mandalo eo ambony ny trano fonenan’ny ambasadaoro ny frantsa, Japon, Rosia, Maorisy, Maroka, Turquis sy ny “consulat ” Italia sy Malta, Vatican, sy nations Unis…

Ankoatran’ny maha “ zone rouge ” ireny toerana ireny dia mbola mandika ny lalàna iraisam-pirenena koa ny fanjakana Malagasy amin’izany. Ny mpandeha rehetra mandalo amin’iny faritra iny izany dia afaka mahita sy mitsikilo ny fiainan’ny ambasadaoro rehetra mipetraka amin’ity toerana iny. Raha te haka sary, hitazana na hamantatra  sy hitsikilo ny faritra misy ireo olona ireo izany dia mitaingina ny teleferika ihany dia efa afaka maka ny zavatra tiana halaina. Zava-doza eo amin’ny sehatra diplaomatika izany.

Koa satria faritra iraisam-pirenena ireny toerana ireny ary  manana ny lalàna manokana mifehy azy, dia voahitsakitsaka izany amin’ny fananganana ity teleferika ity. Anjaran’ny fanjakana no miaro izany ary miaro ihany koa ny olona mipetraka ao amin’ireo toerana ireo. Tsy izany nefa no mitranga amin’ity raharaha ity fa toa manamora ny fomba fitsikolovana sy hahafantarana ireo toerana ireo.

Ny teto Antanimbarinandriana izay tao amin’ny faritry ny sekoly masondahy Misely aza dia najanona nohon’ny fahatahorana ny katolika.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi