La Gazette de la grande ile

Depiote Lanto Rakotomanga : Voarohirohy amina kidnapping ny vadiny

Publié le 16 juillet 2022

Efa mampiteny ny moana, ankehitriny, ny trangana fakana an-keriny ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Morarano Chrome, distrikan’Ampra­fara­vola, Faritr’Alaotra Mangoro. Very fanahy mbola velona ny mponina ao amin’ity kaominina ity satria tsy misy herinandro iray ka tsy hitrangan’ny fakana an-keriny, ary ny tena mahagaga dia tsy mety ravan’ny mpitandro filaminana any an-toerana mihintsy ny tambanjotra mpanao izany. Amin’izao fotoana dia miteraka resabe any amin’iny Faritra Alaotra Mangoro iny ny trangana fakana an-keriny niseho farany tao Morarano Chrome satria voatonontonona ho ao ambadik’izany ny vadin’ny depiote Lanto Rakotomanga izay voafidy tamin’ny anaran’ny IRD teto Antanana­rivo Renivohitra, tao amin’ny boriboritany faha-2.

Ny alarobia 13 jiolay lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora alina no nisehoana fakana an-keriny indray tao amin’ny fokontanin’Anosiboribory, kaominin’i Morarano Chrome. Ankizivavy 18 taona no nalain’ireo jiolahy an-keriny tamin’io fotoana io, saingy tsy nanaiky mora izany ny rain’ity zazavavy ity fa nanaraka ireo olon-dratsy avy ato aoriana. Efa tonga teo akaikin’ny fiara nentin’ireo jiolahy moa ilay raim-pianakaviana ka rehefa nahita azy teo akaiky teo ireo jiolahy dia nitifitra avy hatrany, ary nandositra niaraka tamin’ny fiara sy ilay zaza nalaina an-keriny. Tsy maty noho ny tifitra nahazo azy anefa ity raim-pianakaviana ity izay fantatry ny mponina tsara any an-toerana satria filohan’ny federasionin’ny Tantsaha FIVOHY efa an-taonany maro, André Randriamialy. Avy hatrany moa dia nentina tany amin’ny hopitalin’Ambaton­drazaka ny tenany manaraka fitsaboana noho ny ratra nahazo azy.

Miteraka resabe any Alaotra moa ny raharaha noho ny teny nataon’io raim-pianakaviana voatifitra io. « Itako tsara ny fiara nentin’ireo jiolahy naka an-keriny ny zanako izay fiaran’ny vadin’ny depiote Lanto Rakotomanga », hoy i André Randriamialy. Rehefa naheno ity raharaha ity ireo mpanao gazety ao Ambatondrazaka dia nihazakazaka tany amin’ny hopitaly itsaboana an’i André Randriamialy mba afahan’izy ireo manangona vaovao. Tsy nampoizina anefa ny zava-niseho satria efa feno pôlisy tao amin’ny hopitaly ary nosakanana tsy hiditra izy ireo. Ny kaomiseran’ny pôlisy ao Ambatondrazaka Razafindrabe Manantena mihintsy no nanakana ireo mpanao gazety tsy hiditra, ity farany izay nilaza fa tsy azo atao ny manao fanadihadiana momba io raharaha io na koa ny mamoaka izany amin’ny fampahalalam-baovao. Manaporofo izany fihetsiky ny pôlisy ao Ambatondrazaka izany fa misy ny zavatra afenina tsy tokony ho fantatry ny mpanao gazety, ary manamarina ny voalazan’ilay raim-pianakaviana voatifitra fa fiaran’ny vadin’ny depiote Lanto Rakotomanga no nampiasain’ireo mpaka an-keriny. Midika izany fa anisan’ireo ao ambadiky ny fakana an-keriny misesisesy miseho any amin’iny distrikan’Ampara­faravola iny ny vadin’ity olom-boafidy ity matoa ny fiarany no nentin’ireo jiolahy.

Ramanana

Lire aussi