La Gazette de la grande ile

Famatsiana solika : mandainga ny OMH

Publié le 04 août 2022

Nanomboka ny talata lasa teo no nahitana fiara milahatra eny amin’ireo toby mpaninjara solika sasantsasany eto Andrenivohitra sy ny manodidina. Ny antony, misy amin’ireo toby mpaninjara no tsy manana tahirana gazoala intsony noho ny fahataran’ny solika avy any Toamasina. Tsy eto Antananarivo ihany fa hatrany Antsirabe sy Fianarantsoa dia nahitàna io olana io koa. Manoloana izay tsy fisian’ny gazoala amin’ny toby mpaninjara maromaro izay dia nanao fanambarana ny teo anivon’ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures), ny talata hariva lasa teo, ary tao anatin’izany no nilazany fa ampy tsara tsy misy hatahorana ny tahirin-tsolika eto amintsika fa noho ny fahataran’ny famatsiana avy any Toamasina no mahatonga ny toby mpaninjara sasany eto Andrenivohitra tsy misy gazoala intsony.

 Nilaza koa ny OMH tao anatin’ny fanambarana nataony fa efa novatsiana solika daholo ireo toby tsy manana tahiry intsony, ka noho izany dia tsy tokony hisy ahiahy sy fikoropahana eo amin’ny mpanjifa. Raha ny fahitàna ny zava-nisy teto Andrenivohitra, omaly, dia nandainga ny OMH tao anatin’io fanambarana navoakany tamin’ny talata hariva io. Nilaza ny OMH fa efa voavaha ny olana satria efa novatsiana daholo ireo toby mpaninjara tsy nanana tahirina gazoala intsony. Raha ny omaly alarobia anefa dia mbola maro amin’ireo toby eto Antananarivo no tsy nahitàna gazoala, izany hoe mifanipaka amin’ny filazàna nataon’ny OMH ny zava-misy. Na ny tany Antsirabe sy Fianarantsoa aza dia toby mpaninjara maromaro no mbola nisedra izay olana eo amin’ny famatsiana solika izay, ny andron’ny omaly alarobia.

F. Tsihiavonana

Lire aussi