La Gazette de la grande ile

Fivavahana : Betsaka no ataony mitapy

Publié le 04 août 2022

Ny rehetra dia samy mahita fa mivaralila ny fiarahamonina malagasy, ankehitriny. Maro ny antony mahatonga izany fa tena lehibe indrindra dia ny fahantrana izay tsy mitsaha-mitombo eto amintsika. Sehatra iray lasa mivoana sy mivaralila koa amin’izao fotoana ny fivavahana ary zavatra maro no ahitàna taratra izany. Raha mijery ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina, raha tsy hiresaka afa-tsy ny eto Andrenivohitra, dia betsaka no ataon’ny fivavahana mitapy ary mitombo andro aman’alina ny isan’izy ireo. Mety tsy eken’ireo mpitondra fivavahana sy ny FFKM izany kanefa na tiana na tsy tiana dia izay no zava-misy eto amin’ny firenena.

Tato anatin’ny taona vitsy izay dia hita sy tsikarita fa mirongatra izay tsy izy ny olona mitory teny eny an-dalana sy eny an-tsena. Somary niova endrika izany satria raha baiboly fotsiny no nentin’ireo mpitory teny an-dalana tany aloha, dia efa miaraka amin’ny vata fanamafisam-peo daholo izy ireo, ankehitriny. Tsy vitan’izay ihany fa lasa entina hangataham-bola ihany koa ny fitoriana teny eny imasom-bahoaka amin’izao fotoana. Amin’ny ankapobeany dia olona efa tsy salama saina tsara intsony ireo olona ireo fa lasa adala noho ny fivavahana. Maro amin’ny Malagasy koa amin’izao fotoana no manao resaka misavoana tahaka ny tsy eto an-tany intsony satria doton’ny fivavahana loatra ny sainy. Na any anaty haino aman-jery na eny anivon’ny fiarahamonina eny dia ahitàna izany avokoa.

Tsy mahagaga raha izany no zava-misy eto amintsika satria maniry ohatry ny anana ny sekta eran’ny tanàna, ary lasa hanjakan’izy ireo koa ny haino aman-jery, indrindra fa ny onjam-peo. Fanasana atidoha fotsiny no betsaka, ary ny tena mampalahelo dia betsaka ny Malagasy voasarika amin’izany. Misy amin’ireo pasitera no hitan’ny fiarahamonina fa ratsy fitondran-tena, ny sasany aza moa dia misy tomboka havatsa (tatouage) ny vadiny tahaka ny pasitera Jocelyn Ranjarison. Ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina moa na dia efa hita izao aza fa olona mpisoloky sy hangoron-karena fotsiny ilay milaza fa mpitondra fivavahana mangataka ny hanokatra onjam-peo dia omen’ny minisitra Mama sôsy fahazoan-dalana ihany.

Ramanana

Lire aussi