La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday

Publié le 04 août 2022

Aza milatsaka filoha rehefa tsy manam-bola

Tsy ho ela dia ho tonga ny taona 2023. Efa-bolana sisa dia hiditra amin’ny fifidianana indray ny vahoaka Malagasy hifidy izay ho filoham-pirenena indray. Tapitra amin’ny 2023 io ny mandà izay hipetrahan’ny filoham-pirenena ankehitriny, izay niatomboka ny taona 2019.

Mitaky fepetra maro izany filatsahana ho filoham-pirenena izany. Ao ireo fepetra araka ny lalàna izay lehibe indrindra. Ny manaraka iizany dia ny resaka politika. Olona fantatr’olona ary fantatra koa  fa afaka mitondra ny firenena  sy mitondra olona koa.

Ireo rehetra rehetra ireo nefa raha ny zava-misy eto Madagasikara tao anatin’ny 20 taona izay dia ambinambiny avokoa fa nivadika ny fanaovana politika ankehitriny ka tsy fananana foto-kevitra tsara sy  fahaizana ary ny fianarana ambony  sy ny diplaoma  no mamaritra izany, na koa ny fananana olona no mibaiko ny fandresena amin’ny fifidianana.  Tsy miraharaha izany intsony ny Malagasy ankehitriny. Lazainy fa be hevitra fa tsy ilaina ianao rehefa  manambara azy ny foto-kevitra izay hitondrana ny firenena. Esoeso sy tondro molotra no azonao raha toa ka ny hevitra ihany no entina hanaovana propagandy.

Hatramin’ny taona 2001 ka hatramin’ny taona 2018 izay nifidianana izay ho mpitantana ny firenena, dia nanjakan’ireo mpanam-bola ny raharaha politika eto Madagasikara. Ingahy Ravalomanana Marc dia nolazaina sy naely manerana an’i Madagasikara fa sady bôgôsy no mpanana. Ny fifidianana tamin’ny taona 2013 dia volabe tsy toko sy forohana no lanin’ingahy Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fandaniana azy. Ny taona 2018 teo dia tsy tenenina intsony ny vola  nolanian’ingahy Andry  Nirina Rajoelina.  Izy rehetra ireo dia an-jatony miliara mahery no vola laniny vao tonga teo amin’ny toeran’ny filohan’ny repoblika izy ireo.

Vola hoatrinona izany no tena ilaina vao ho afaka hilatsaka ho filoham-pirenena? Raha mbola tsy manam-bola mihoatra ny 100 miliara ariary dia aza milatsaka fa manaonao foana. Farafahakeliny mandany 5 miliara isakin’ny faritra ka raha ampitomboana 23 izany dia efa hatrany amin’ny 115 miliara ariary.

Tsy ilana intsony ny diplaoma be raha toa ka te ho filoham-pirenena. Tsara raha manam-pahendrena nefa tsy izany intsony no takian’ny vahim-potoana izao fa izay manam-bola ihany. Ilaina ny fanana hevitra sy tetika ary foto-kevitra matotra sy tsara fa tsy misy dikany intsony izany amin’izao fotoana izao. Ny vola ary tsy misy afatsy ny vola no mibaiko eto.

Koa ho anareo izay te hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena dia aza milatsaka raha tsy manam-bola  fa lasa manaonao foana. Aleo ny vola nanaovana  saram-pilatsahana 50 tapitrisa ariary anaovana zavatra hafa.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi