La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday

Publié le 09 août 2022

Ravao ny governemanta fa tsy mamely

Tsy misy zavatra mandeha intsony ao amin’ny governemanta Ntsay Christian ao ankehitriny. Milaza miara mahita isika raha miteny izany satria mikatso ny fampandrosoana rehetra. Toa ny tany tsy misy fanjakana eto Madagasikara. Hatrany amin’ny tsifandriampahalemana dia iarahana mahita ireny ny asan-dahalo izay tsy voafehy. Taiza ary oviana teto Madagasikara no nahitana fandorana olana velona. Ny fanaovana “kidnapping” na ny  fanaovana takalonaina dia efa rivotra iainana any amin’ny faritra Alaotra-Mangoro. Manginy fotsiny ny mahakasika ny doro trano sy ny fanafihana tanana.

Mahakasika ny orinasam-panjakana dia tsy misy mandeha intsony amin’izao fotoana izao. Tsy misy ilaina ny minisitry ny indostria sy ny varotra. Mandany volam-panjakana fotsiny. Ny kraoma(Kraomita Malagasy), ny SECREN (orinasa mpanamboatra sy mpikojakoja sambo any Antsiranana), ny orinasa  MAGRAMA (marbre et granite de Madagascar) any Ambatofinandrahana, izay niongotra hatrany amin’ny fotony. Inona izany no asan’ny minisitra Razafindravahy Edgard fa tsy mandeha ny departemanta ao aminy ao.

Mahakasika ny lalana indray dia simba sy tsy azo andehanana intsony ny 95% ny lalana manerana an’i Madagasikara.  Na ny hampiasa ny vola izay efa vonona ao amin’ny fanjakana aza tsy hain’ny minisitry ny asa vaventy akory. Voalazan’ny tale jeneraly ny tahirim-bolam-pirenena

tamin’ny herinandro lasa teo fa manana vola 540 miliara ariary mipetra-potsiny ny fanjakana hoan’ny fanamboaran-dalana sy ny fikojakojana izany. Tena fampijaliana vahoaka tanteraka no mbola itazonana ny minisitra Jerry Hatrehandrazana  io noho izany. Tsy mandeha ny RN-13  notokanana ny fanombohan’ny asa volana roa lasa izay. Mahamenatra tanteraka.

Ny fampianarana indray dia iny nolazain’ny minisitry ny fampianarana  Sahondraharimalala Marie Michelle amin’ny fanovana ny rafitry ny fampianarana indray kanefa tsy misy fanatsarana ny kalitaon’ny fampianara. Zara raha mahazo fiofanana ny mpapianatra FRAM. Faly manenjika isa amin’ny fampidirana mpampianatra fotsiny. Tsy maha voafehy ny fampianarana .

Ny ao amin’ny ministeran’ny fahasalamana izay tantan’i Arivelo Zely Randriamanantany dia tsy hita izay zavatra ataony ao fa lany andro amin’ny fanaovana atrikasa amin’ny hotely lehibe eto Antananarivo.

Ny tena zava-doza dia ny ao amin’ny minisisteran’ny harena ankibon’ny tany tantanin’i Herindrainy Olivier. Hatramin’ny volamena mihidy any amin’ny  “coffre-fort” dia mbola very misy mangalatra tao. Ny trano tsy vaky sady mihidy nefa ny volamena nogiazana nanjavona.

Raha tanisaina tsirairay ny minisitra ireo dia tsy misy na iray azo raisina izy mianakavy ireo. Tsy efa tokony ho ravana amin’izay fa tsy mamely intsony mba tsy hampitroatra ny vahoaka indray ny fiafarany.

Randriambe Jesy Rabelaolao 

Lire aussi