La Gazette de la grande ile

Fiainam-pirenena : Lasa fitaovana politika ny fiangonana

Publié le 10 août 2022

Manakaiky ny fifidianana filoham-pirenena ka mitady ny fomba rehetra hakana ny fon’ny vahoaka ireo efa azo antoka fa ho kandidà, indrindra fa ireo sokajiana ho kandidà matanjaka dia ny filoha am-perinasa sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Efa mandeha, ankehitriny, ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana amin’ny fitetezam-paritra ataon’ny andaniny sy ny ankilany, ary ny zavatra hita mibaribary dia lasa fitaovana politika ny fiangonana ao anatin’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara).
Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ohatra dia nihazo ny tanànan’Antsiranana ny filoha mpanorina ny antoko TIM Marc Ravalomanana, nanatrika ny fihaonambe faha-12-n’ny sampana Dorkasy izay notanterahina tao amin’ny FJKM Atseranana Fahazavana ary natrehan’ny solontena avy amin’ny Synodam-paritany rehetra manerana ny Nosy . Nasaina hanatrika ny fitokanana ny Akany Diera an’ny FJKM ao Antsiranana ihany koa ity filoha teo aloha, omaly. Efa fomba fanaon’i Marc Ravalomanana mihintsy moa ny manenjika fihaonambe na lanonana karakarain’ny FJKM, ary tsy maintsy mandray fitenenana maka ny fon’ny mpino izy amin’ireo fiangonana rehetra handehanany. Marihana fa efa filoha lefitry ny FJKM (Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara) tany aloha i Marc Ravalomanana ka izany anarana nentiny izany no araraotiny hanababoana ny fon’ireo mpivavaka ao.
Raha izay no zava-nisy tany Antsiranana, dia nanao ny azy tany Mahajanga koa ny filoham-pirenena izay nanatrika ny Zaikabe faha-21-n’ny FKTLM na ny Firaisan’ny Kristianina Tanora Loterana Malagasy. Nisokatra omaly ity Zaikabe ity ary haharitra hatramin’ny alahady izao raha ny fantatra. Sambany tao anatin’ny telo taona sy tapany mahery moa no nanatrika fihaonambe eo anivon’ny fiangonana Loterana tahaka izao ny filohan’ny repoblika. Fotoana izay nararaotin’ny filoha nanaovana pi-maso amin’ireo mpino loterana ka tao anatin’ny fandraisam-pitenenana nataony no nanolorany fiara tsy mataho-dalana vaovao ho an’ny filohan’ny FLM (Fiangonana Loterana eto Madagasikara) ary vola 20 tapitrisa ariary hanampiana ny sakafo sy ny zava-pisotro ho an’ireo tanora rehetra tonga nanatrika ity Zaikabe ity. Mbola ho avy moa ny JMJ na ny andro maneran-tany ho an’ny tanora katolika izay hotanterahina any Antsirabe, ny faran’ny volana aogositra ho avy izao, ary azo antoka fa hanolotra fanampiana sy fanomezana tahaka izany koa ny filoham-pirenena. Izany rehetra izany no manaporofo fa lasa fitaovana politika entina hakana ny fon’ny mpivavaka ny fiangonana, ankehitriny, ary tsy fiangonana sekta fa ireo mandrafitra ny FFKM.
F. Tsihiavonana

Lire aussi