La Gazette de la grande ile

Mahabo : Fehezin’ny depiote hatramin’ny Zandary

Publié le 10 août 2022

Isan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Mahabo sy Morondava ny ataon’ny fianakavian’ny depiote Leva teo aloha sy ny vadiny Razafndrazalia Yvonne  vadiny  izay depiote nisolo azy noho izy nigadra.
Miteraka korontana be any amin’ity distrika ity indray ny mahakasika ny Lehiben’ny brigadin’ny zandary “CB” ao Mahabo ankehitriny. Ny volana novambra 2021 no notendrena hifehy ao amin’ity distrika ity ilay CB vaovao. Izany dia nisolo ny CB teo aloha izay voalaza fa mpiara miasa akaiky amin’ny depiote Leva sy ny vadiny ity. Efa voarohirohy tamin’ny resaka halatra taova tany an-toerana ka nafindra toerana. Nanao ny asany araka ny maha zandary azy ilay iray vaovao. Nosaziany ny fiaran’ny depiote Yvonne ity ny volana may .  Tezitra noho izany ity depiote ity ka nandrahona ity CB vaovao ity. Nitory toa ny fanaony taty amin’ny zandary taty Antananarivo izy araka ny voalazany. Ny ampitson’io andro io dia nahato tamin’ny toerany ilay CB vaovao. Tsy nanana CB ny distrika tao Mahabo noho izany. Naverina indray nefa ity zandary ity ny volana jolay teo. Raha vao nandray ny asany indray izy dia tonga indray ny baiko ho fampiahatoana azy amin’ny asany avy aty amin’ny zandary aty Antananarivo.
Tezitra ny vahoaka satria fantatra sy mibaribary izao fa lalaovin’i depiote Leva sy ny vadiny tanteraka ny tananan’i Mahabo. Mbola voaringotra amin’ny resaka “kidnapping” nefa ny zanany lahy ny volana lasa iny ka nandositra ary tsy navelan’ity depiote ity hanao ny asany koa ny polisy hisambotra azy.
Izany no mampitaraina ny vahoakan’i Mahabo ankehitriny satria dia efa fanamparam-pahefana tanteraka no ataon’ity fianakaviana ity. Tsy mahagaga raha tezitra amin’ny fanjakana ankehitriny ny vahoaka.
Rabelaolao

Lire aussi