La Gazette de la grande ile

Trafikam-bolamena :Tratra ny vadin’ny senatera Seramila

Publié le 10 août 2022

Tamin’ny alakamisy faha 21 jolay 2022 dia voasambotra ny vadin’ny senatera Nino Seramila izay voafidy tao Ambanja. Niaraka tratra taminy koa  ny vehivavy telo hafa ka isan’izany ny vadin’ny depiote Léon ao Mahajanga-II.
Araka ny voalaza dia voatana ao Nosy-be Hell-Ville  izy efatra vavy ireo.  Nieritreritra ny handeha ho any Addis Abeba  ao Ethiopie izy ireto no tratra izao. Somary nafenina ihany ny raharaha nefa tsy navelan’ny marina tsy hivoaka ka izao lazaina izao.
Tsy mijanona  fa mbola mitohy hatrany ny fanondranana an-tsokosoko ny volamena eto Madagasikara. Tsy mbola voalaza aloha ny lanjan’izany volamena izany na firy kg indray. Ny azo antoka dia tsy kely izy io matoa olona efatra be izao no niaraka voarohirohy amin’ity raharaha ity. Raha ny loharanom-baovao azo avy any amin’iny faritra iny dia tsy mbola izao ihany no nanao ity fanondranana volamena antsokosoko ity ireo fianakaviana ireto.
Na inona na inona koa fomba filazana dia tsy izy efa-bavy ireo no tena mpanondrana sy mpanao izao trafika izao fa misy ny olona miaraka aminy. Tsy azo inoana koa fa tsy fantatry ny Senatera Nino Seramila sy ny depiote Léon ao Mahajanga-II izao raharaha izao. Mety noho izy ireo manana fahefana koa no antony mahatonga izao raharaha izao.
Raha tany amin’ny firenena tena manaja ny demôkrasia sy ny tany tan-dalàna isika eto Madagasikara dia tokony hanaovana fanadihadiana ary tokony hiala amin’ny toerany ireo olom-boafidy ireo.  Tsy azo inoana koa fa mandeha irery ireo olona ireo fa manana namana hafa koa.
Miroborobo tanteraka ny fanondranana volamena antsokosoko avy eto Madagasikara amin’izao fitondrana izao. Azo lazaina fa olona manana fahefana sy ao anatin’ny fitondrana no ho sahy hanao izany. Mbola tsy miravona akory ny raharaha mikasika ny volamena tany Afrika Atsimo sy Comores ary ny volamena nogiazina tao amin’ny “Coffre-fort” tao amin’ny ministera ny harena ankibon’ny tany, dia izao tratra izao indray ny vadin’ny senatera Nino Seramila sy ny vadin’ny depiote Léon ao Mahajanga-II. Iza indray ny mpitondra manaraka ho tratra ao na ny fianakaviany?
Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi