La Gazette de la grande ile

AKOM-BAOVAO SAMIHAFA

Publié le 10 août 2022

Famatsian-tsolika

Miharatsy ny tolotra

Taorian’ny fampikarana ny vidin-tsolika dia mpanjifa solika maro no nahatsikaritra ny faharatsian’ny tolotra hita eny amin’ny mpaninjara solika. Nanomboka niharatsy ny tolotra ara-pamatsiana vatsian’ny mpanjifa eny amin’ireo toeram-pamatsiana solika eto an-drenivohitra hatrany amin’ny faritany. Misy ny firaisana tsikombakomba eo amin’ny toeram-pamatsiana solika sy ny tompony. Nihena tsy toy ny teo aloha ny fandaniana ny solika ampiasaina raha mitovy tamin’ny teo aloha ihany ny solika nampidinina teny amin’ny toeram-pamatsiana solika. Mitovy ny saram-pandaniana sy ny fatran’ny litatra nojifaina amin’izany. Efa fomba fanaon’ny mpiasa eny amin’ny toeram-pamantsian-tsolika hatramin’izay ity fomba ity, dia ny fahafenoan’ny rivotra anatin’ny fantsona rehefa hampidina solika jifaina. Miendrika halatra izany , ary anisan’ny fanamarihan’ireo mpanjifa solika tato ho ato hatramin’ny niakaran’ny vidin’ny litatry ny solika. Ara-dalàna tsy misy fahasimbana ny an-kamaroany fiaran’ny mpanjifa, nefa vetivety dia mamonjy toeram-pamantsian-tsolika indray.

Karatra nomerika

Beazina hiala amin’ny kolikoly ny mpivarotra

2000 mahery ireo mpivarotra niatrika fanofanana ny alatsinainy 9 aogositra, ary mbola nifarana omaly talata tao amin’ny Tranompokonolona Analakely. Ny antony ampiasaina ny karatra nomerika dia ny fampianarana ny mpivarotra tsy ho voasarika amin’ny resaka kolikoly, indrindra eo amin’ny fandoavana ny haba-tsena. Taratra tao anatin’ny fampiofanana, izay nampitan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny resaka momba ny fahaizana ara-teknika sy ny fanatsarana ny endriky ny varotra, ary ny fifandraisana eo amin’ny mpivarotra sy ny mpanjifa. Ny mpivarotra tetsy amin’ny Tsena Coum 67 Ha no nisitraka izany.  Mbola hisandrahaka manerana ny tsena  samihafa ny fizarana io karatra nomerika io. Hisy koa ny fampiofanana miampy ny fanetanana mba hanalavirana ny kolikoly eto.
Nangonin’i Soarak

Lire aussi