La Gazette de la grande ile

Lalana mankany Andramasina : Tsy raharahan’ny governora Rasoamaromaka

Publié le 10 août 2022

 Mirehareha ny governoran’Analamanga Hery Rasoamaromaka fa efa betsaka ny lalana nasiam-panamboarana eto amin’ny Faritra iadidiany. Tsy azo lavina fa misy tokoa ny lalana namboarina eto Analamanga any amin’ireo toerana somary ambanivohitra, saingy noho ny antony tsy fantatra dia tsy noraharahin’ny governora mihintsy ny lalana mihazo ny distrikan’Andramasina kanefa potika tanteraka, ankehitriny. Ny distrika hafa rehetra ato amin’ny faritra Analamanga anefa, tahaka ny distrikan’i Manjakandriana, Avaradrano, Atsimondrano, Ankazobe ary Anjozorobe dia nahitàna fanamboaran-dalana avokoa.
Araka ny fantatra dia iray volana mahery teo izay no nidina tany amin’iny distrikan’Andramasina iny ny governora Hery Rasoamaromaka. Tsy fitsidihana ofisialy na fitokanana fotodrafitrasa vaovao akory no nataony tany fa zavatra hafa tsy misy ifandraisany amin’ny andraikitra sahaniny. Rehefa nahita ny haratsian’ny lalana izy vao taitra ka teo vao nampanantena tamin’ireo manam-pahefana any an-toerana fa hiroso amin’ny fanamboarana izany ny faritra. Marihana fa mirefy 41 km miala eto Andrenivohitra ny tanànan’Andramasina, ary tsy ny lalana miala eo Ambatofotsy mankany amin’io tanàna io ihany no simba tanteraka amin’izao fotoana fa eo koa ny lalana mihazo an’Alatsinainy Bakaro izay mbola 30 km miala ao Andramasina sy ny mankany Ambohimiadana izay kaominina be mponina indrindra ao anatin’ny distrikan’Andramasina.
Faritra be vokatra legioma ary anisany mamatsy an’Antananarivo anefa ny dsitrikan’Andramasina. Raha ny ovy ohatra dia i Faratsiho no voalohany amin’ny famatsiana ovy eto Andrenivohitra ary Andramasina no faharoa. Ankaotra ny vokatra legioma dia toerana tokony ho hisarika mpizahantany betsaka ny kaominina Ambohimiadana izay manakaiky an’i Tsiazompaniry fa noho ny haratsian’ny lalana dia zara raha misy mpitsidika. Raha ny fanazavana azo moa dia antony mety mahatonga ny governora na ny Fanjakana foibe tsy mety hanamboatra ny lalana any amin’iny distrikan’Andrama-
sina iny dia satria toerana hanjakan’ny antoko TIM.
Ramanana

Lire aussi