La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday

Publié le 10 août 2022

Mitovy ny HVM, ny IRD ary ny TIM

Raha mampitaha ny zavatra mitranga ankehitriny sy ny fitondrana tamin’ny andron’ingahy Hery Rajaonarimampianina sy ny Ravalomanana Marc ary ny fitondrana amin’izao andron’ingahy Andry Nirina Rajoelina izao dia ny anarana fotsiny no niova fa ny tetika sy ny fombamba rehetra amin’ny maha antoko politika sy fikambanana politika azy dia “kôpy kôle “ tsy misy valaka.
Hoy ny fitenin’ingahy Ravalomanana Marc tamin’ny fotoana nanjakany fa tsy misy antoko matanjaka noho ny TIM (Tiako i Madagasikara) eto  Madagasikara fa nahavita nilahatra nandritry ny 2 taona ary nanongana ny fanjakana izay noheverina fa matanjaka hatramin’izay. Afaka taona vitsy taty aoriana dia naongan’ny vahoka ny fitondrany ka tsy hita intsony ilay antoko nampirehareha hoe mafy sy mantajaka teo. Amin’izao fotoana izao dia nihena be no tonga manotrona an’ingahy Ravalomanana Marc  ny mpikatroka ao aminy. Mbola miampy izany koa aza ny RMDM (Rodobe ny  mpanohitra hoan’ny demôkrasia eto Madagasikara)
Ingahy Hery Rajaonarimampianinana indray dia nilaza fa ny antoko matanjaka indrindra eto Madagasikara izao dia ny HVM(hery Vaovao hoan’I Madagasikara). Nirehareha mihitsy ingahy Rivo Rakotovao (lehiben’ny HVM) tamin’izany ka nahasahy nilaza sy nanao angoan-teny hoe  anay i Madagasikara manontolo. Amin’izao fotoana izao nefa na dia olona iray tsy hita intsony isaky ny distrika. Ny ben’ny tanana izay nomena môtô  tao alohan’ny fifidianana nanao fialan’ny jiosy avokoa ankehitriny ka nivadika lasa MAPAR avokoa.  Tsy misy olona hantsoina intsony ankehitriny ka niafarany dia niaraka ao amin’ny RMDM ao avokoa ry Rasidy sy ny tariny amin’izao fotoana izao.
Ny IRD (isika rehetra miaraka amin’i Rajoelina) izay vondrona fikambanana mpanohana ny fanjakana ankehitriny ahitana ny TGV (Tanora Malagasy vonona) sy ny MAPAR (Miaraka amin’i Prezidà Rajoelina). Izy no mirehareha fa antoko lehibe indrindra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Na izany aza  dia mbola tsy miala teo amin’ny fitondrana aza ity vondrona mpanohana ny fanjakana ankehitriny.  Mihena an-toerana toa ny fen’antitra ny mpikambana ao anatiny ankehitriny. Tsy misy mahasahy mijoro intsony satria menatra ny fahantran-bahoaka tsy voavahan’ny fitondrana ankehitriny io.
Fahadisoam-panatenana tanteraka amin’ny fitondrana sy ny antokony no anton’izany rehetra izany. Dia  hitovy tanteraka amin’ny nahazo ny antoko politika HVM sy ny TIM. Izany no hahazo an’i IRD( Mapar, TGV ary Mpara io afaka fotoana aoriana ao.
Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi