La Gazette de la grande ile

Ambodivona – Alakamisy Fenoarivo : Tantsaha 72 tokantrano esorina amin’ny taniny

Publié le 12 août 2022

Miteraka resabe ao amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano ny raharaha. Tantsaha mpamboly 72 tokantrano no esorina amin’ny tany fonenana sy fambolen’izy ireo, ao amin’ny fokontany Ambohimijery Ambodivona. Ny alarobia 02 aogositra lasa teo no tonga teny an-toerana ny vadintany nitondra ny didim-pitsarana izay manaisotra ireto tantsaha ireto amin’ny toerana misy azy. Ny filohan’ny fikambanana ivondronan’ireo tantsaha mpamboly no nanateran’ny vadintany ny didim-pitsarana ary ity farany no nampahafantatra izany tamin’ireo fianakaviana rehetra voakasika. Marihana fa tany mirefy 23 ha sy 64 ara no resaka eto izay efa nohajarian’ireo tantsaha, nanomboka tamin’ny taona 70.  Efa taona maro lasa izay no nanao taratasy fangatahana an’io tany io ireo tantsaha mpamboly, saingy novadihan’ireo olom-bitsy solontenan’ny fokonolona nankinina hanao izany.

F. Tsihiavonana

Lire aussi