La Gazette de la grande ile

Fitsinjaram-pahefana : Be kolikoly koa ny any ifotony

Publié le 12 août 2022

Isan’ny ady hevitra mahazo vahana tato anatin’ny 30 taona farany ny momba ity fitsinjaram-pahefana tena izy ity. Tsy misy tokoa aloha hatreto na olona iray aza, na fikambanana na antoko polotika iray ; manohitra ny maha-fototry ny fampandrosoana ny fitsinjaram-pahefana tena izy.

Efa nanaovanay lahatsoratra teto, herinandro vitsy lasa izay fa “ ny mpitondra foibe matetika no tena miezaka ny tsy hahatanteraka an’io fitsinjaram-pahefana io.”

Saika mangetaheta an’io ny any amin’ny faritra amin’ny ankapobeny satria te hivoatra, fa ny tsikaritra koa aloha dia ireo olom-boafidy any amin’ny faritra, toy ny Ben’ny tanàna, dia ny hahabe ny tombontsoa otazany no mahamaika azy, ka izay fomba rehetra hiantohana izany dia irosoany, ary iray amin’ny fomba hampanan-karena ny olom-boafidy sasany ny kolikoly.

Tokony jerena izay fomba hamongorana an’io kolikoly io, ka tsy ny any amin’ny faritra ihany fa na ny aty Antananarivo aza, ary tsy ny madinika ihany fa hatramin’ny « tompon’andraikitra ambony » koa.

Manamarika izany izahay satria raha tena resy lahatra ny hampanjakana sy hampahombiazana an’ilay fitsinjaram-pahefana tena izy ny tsirairay dia manao izay ho afany mba ho to izany. Iray amin’izany ny fiezahana mamita ny asa ao antoerana amin’ny herin’ny tenan’ilay rafitry ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, toy ny kaomina.

Ohatra iray mivaingana ny zava-misy ao Andohanilakaka (Eo anlelanelan’i Sakaraha amin’Ihosy). Misy tetezana tapaka ao Andohanilakaka. Raha hivoaka ny tanàna ka hianatsimo hiazo an’i Sakaraha no misy azy io. Tsy misy 20 Metatra izy io nefa dia efa naharitra ela ny tsy fahavitana nanarina azy ka voatery mivily lalana any anaty rano ny fiara mizotra. Soa fa mbola fotoanan’ny main-tany izao fa rehefa tonga ny ora, tsy ho azo hitana izany lakandrano izany.

Na ireo mpividy safira ao Ilakaka ihany aza no manao fitia tsy mba hetra hoenti-manamboatra an’io tetezana io dia ho vita io, ary na ny ampahany ihany amin’ny vola kolikoly raisin’ny ben’ny tanàna amin’ireo mpandraharaha mpividy safira ireo ihany koa aza no enti-manarina an’io tetezana io dia ho vita, nefa dia mbola miahaka ao hatramin’izao.

Mba jereo re ry olom-boafidy sy mpandraharaha fa fototry ny fampahombiazana ny tena fitsinjaram-pahefana ho antoky ny fampivoarana sy ny fandrosoana izany e.

Tsimba

Lire aussi