La Gazette de la grande ile

Volamena Malagasy : Mampanan-karena ny firenena ivelany

Publié le 12 août 2022

Tena dondrona mihitsy isika Malagasy ity. Izay no azo ilazana azy raha vao miresaka volamena na harena an-kibon’ny tany. Tsy vitan’ny tsy fahaizana mitantana azy sy ny fitrandarahana azy, fa mbola tsy mahay mampiditra vola aminy koa hoan’ny firenena fa lany andro amin’ny trafika maloto fotsiny.

Raha ampitahana amin’ny nosy Maurice isika izay tsy manana na toerana fitrandrahana volamena akory dia tena azo lazaina fa vendrana tanteraka i Madagasikara . I Maurice indray no manana tahirim-bolamena 12, 44 taonina. Volamena avy aiza io ? Tsy diso angamba raha milaza fa avy eto Madagasikara no ankamaroan’io noho ny fanondranana izany an-tsokosoko.

Ny sinoa, ny erôpeanina, ny arabo any Dubaï ary ny rosianina no voky sy manakarena amin’ny volamena eto Madagasikara. Tsy manana volamena akory amin’ny tahirim-pirenena i Mdagasikara raha ny voalazan’ny “ trading economy 2022” ( jereo La Gazette ny 10 aogositra pejy faha 10 ). Tena vendrana!

Isakin’ny faritra nefa eto Madagasikara dia ahitana toerana fitrandrahana volamena avokoa. Tsy nitondra vokan-tsoa hoan’i Madagasikara nefa izany fa voamaika nampahantra azy satria ny firenena vahiny indray no nanan-karena amin’izany.

Tsy i Madagasikara no mahantra fa ny mpanao politika sy ny mpitondrana hatramin’izay no nampahantra azy.

Rabelaolao

Lire aussi