La Gazette de la grande ile

Malagasy : Mivarilavo amin’ny vavaka, toaka sy vody

Publié le 12 août 2022

Ny fivavahana no nentin’ny malagasy maro ankehitriny ho entina miady amin’ny fahantrana. Ny firoborobon’ny sekta eto Madagasikara  no manaporofo izany. Karazana fivavana efa ho 200 mahery no misy eto. Tsy nahavita ny asany intsony ny antoko politika sy ny olona nitondra. Voarebirebin’ny  fivavahana sisa. Miandry mana avy any an-danitra hoy ny fitenenana.  Nasaina manonofy an-toerana ka miandry harena sy fahasoavana amin’ny alalan’ny vavaka fotsiny.

Tsy ny fivavahana ihany no lasa nitokisan’ny Malagasy ankehitriny fa ny toaka koa. Mitombo izay tsy izy ny olona mpidoroka sy ny mamolava ankehitriny. Tsy lahy tsy vavy, tsy antitra tsy tanora fa tena misotro toaka ny olona ankehitriny. Ireo sokajin’ny olona sahirana mihitsy no tena manao izany. 100 ariary dia efa mahazo toaka tapakin’ny vera kely. Ny toerana fivarotana toakagasy sy ny  toaka vita vazaha mia mitombo andro aman’alina eto Madagasikara. Hatramin’ny polisy sy ny zandary avy no tena mampiroborobo azy ireny ary lasa mpidoroka izay tsy izy. Ny depiote aza dia mbola manome vahana ny  fisotroana toakagasy koa amin’ny alalan’ny fanaovana lalàna.

Tsy ny fivavahana sy ny toaka ihany no mahazo laka eto Madagasikara amin’izao fotoana izao fa tena manjaka koa ny fihinanana rongony mahery vaika. Tsy mba jamala intsony no malaza izao fa ny “heroine”, ny “rôrô” ny “cocaine” izay rongony avy any ivelany nampidirina eto Madagasikara. Hatrany an-tsekoly no potika noho ity rongony ity amin’izao fotoana izao.

Ny tena zava-doza dia ny resaka vody sy ny voninahitra. Hatrany ampiangonana no misy ny fanararaotana ny fahantrana ka resaka vody no manjakazaka amin’ireo mpitarika fivavahana sasany ary ny fiadiana voninahitra. Efa maro ny mpitarika fivavahana ireny no voarohirohy amin’ny resaka vody ity, tonga hatramin’ny fanolanana izay efa niakatra fitsarana mihitsy. Ny zava-misy dia mahazo laka ny vody eto Madagasikara hatrany ampiangona ka hatreny an-kianja ka lany hatramin’ny fimailo. Mitombo izay tsy izy ny tranon-dopy (fijangajangana) manerana an’i Madagasikara.

Izy rehetra ireo dia hita ao ambadikin’ny fivavahana avokoa. Rehefa tiana ho potika ny fiainan’ny firenena dia ireo rehetra ireo no mahazo vahana amin’ny firenena iray.Izany no iainana eto Madagasikara noho ny tsy fahitan’ny mpitondra vaha olana amin’ny  fampandrosoana.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi