La Gazette de la grande ile

AKOM-BAOVAO SAMIHAFA

Publié le 12 août 2022

Governoran’i Sofia

Voatonona amin’ny resaka vonoan’olona

Maty nisy namono tao Analalava  ny alarobia lasa teo ny tera-tany sinoa roalahy Voatonona tao anatin’ity raharaha vono-olona ity ny anaran’ ny governoran’i Sofia, ny Jeneraly Lylson René de Rolland sy ny olom-boafidy ao Analalava Djaosera Irénée. Norarana ny fandevenana ireo sinoa namoy  ny ainy tany an-toerana, tsy fomban-tany ve no antony ? Koa baiko nidina sady niaro fandrahonana avy amin’ny governoran’i Sofia ny tsy nahafahana nandevina ny vata mangatsiakan’ ilay sinoa maty nisy namono, raha ny akom-baovao, fa hoe dorana avy hatrany. Vokatr’izany , dia nodorana ny fatin’ireo sinoa roalahy ireo.

Efa tonga eny anivon’ny masoivohon’ny Fanjakana Sinoa eto Madagasikara ity tranga fahafatesana sy fandorana  sinoa roalahy ity. Tokony hafainganina ny fanadihadiana mba hivoahan’ny tena marina.

Lalànan’ny Harena an-kibon’ny tany

Poak’aty ny atrik’asa hatao

 Hanatanteraka atrik’asa ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharano Stratejika eny amin’ny « Mining Business Center », eny Mamory Ivato, izay hanomboka ny 16 aogositra hatramin’ny 22 aogositra ho avy izao. Poak’aty  avokoa ny fehezan-kevitra nivoaka rehefa vita ny  atrikasa ireny. Vola an-tapitrisa no laniana, ny fotoana very maina, ary indrindra lasa very an-javony ny ron-dohan’ireo mpisehatra. Handray anjara amin’izany ny mpisehatra toy ny firaisaimonimpirenena, orinasa madinika tsy miankina , fikambanan’ireo injeniera, ny mpikaroka, ny mpitrandraka harena an-kibon’ny tany, ny mpandraharaha ary ny ao amin’ny sendikan’ny harena an-kibon’ny tany. Araka izany, dia hisy ny  fanavaozana ny lalàna momba ny harena an-kibon’ny tany izay efa lany andro.

Isalo

Voavetaveta ny valan-javaboahary

Toeram-pizahantany mahasarika ny tera-tany malagasy , fa indrindra ny tera-tany vahiny ny valan-javaboary ao Isalo. Ankehitriny, dia voavetaveta ity vakoka ity. Feno soratsoratra sy laharana fiara maro be ny rindrim-bato manatrika ny lalampirenana,  ary nandoko an’Isalo ho fotsy ho an’ireo sendra nandalo teo. Tsy ampy ny fiarovana ny harem-bakoka, indrindra ny fanajana ity valan-javaboary ao Isalo ity.

Nangonin’i Soarak

Lire aussi