La Gazette de la grande ile

Raharaha Jesôsy Mamonjy : Mbola hitohy ny ady saritaka

Publié le 12 août 2022

Tsy nampilamina ny disadisa misy eo anivon’ny sekta Jesôsy Mamonjy ny fidiran’ny Fanjakana an-tsehatra. Tsiahivina fa ny fiandohan’ny herinandro lasa teo dia namoaka didy ny prefektioran’Antananarivo Renivohitra fa tsy haverina intsony ny fifidianana ny biraon’ny filankevim-pitondran’ity sekta ity izay fositry ny disadisa sy ny korontana. Nohamafisin’ny filankevim-panjakana io fanapahan-kevitra fanapahan-kevitry ny prefektiora io, ary misokatra ho an’ny mpino rehetra ny toeram-pivavahana etsy Ankorondrano fa mikatona intsony.

Omaly anefa dia nitafa tamin’ny mpanao gazety ny pasitera Gilbert sy ny mpiara-dia aminy ary nanambara fa hanakana ny fitarihana fivavahana manaraka eo.

Marihana fa ity pasitera Gilbert ity no resy tamin’ny fifidianana natao ka takian’izy ireo hatrany ny fanafoanana izany na teo aza ny didy navoakan’ny filankevim-panjakana. « Rehefa tsy omena pilopitra izahay dia avelao samy tsy hanana pilopitra daholo ny rehetra », hoy ity mpitondra fivavahana ity. Nilaza izy ireo fa tsy matahotra fandrahonana sy fisamborana fa hiady hatramin’ny farany. Averina etoana fa resa-bola no tena ao ambadik’ity disadisa eo anivon’ny Jesôsy Mamonjy ity satria dia vola amina miliara maro no mihodina ao. Izany no antony mahatonga an’i Naivo Raholdina Betaintsofina miditra an-tsehatra amin’io raharaha io ary nanosika sy nanohana ny pasitera Raymond Randrianatoandro izay lany ho filoha vaovao.

Ramanana

Lire aussi