La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday

Publié le 12 août 2022

Fivoriana poaka aty !

Isa-taona dia misy fivoriana iraisam-pirenena raikitra na ara-potoana ary misy ny tsy ara-potoana. Misy toa izany koa ao anivon’ny firenena iray. Ny solombavambahoaka mandrafitra ny Antenimieram-pirenena, ohatra, dia voafaritry ny lalampanorenana ny fivoriana ara-potoana indroa miantoana ataony, ary fantatra mialoha araka ny lalampanorenana koa ny vontoatin’ny resaka tena andrasana na misongadina amin’ireny fivoriana ireny. Misy koa anefa ny fivoriana tsy ara-potoana, izay miankina amin’ny trangan-javatra iray.

Eo amin’ny sehatra iraisampirenena koa dia misy izay fivoriana ara-potoana raikitra izay. Ny Firenena Mikambana, ohatra, dia manao ny fivoriam-beny isaky ny volana septambra. Ny Vondron’ny tany ao anatin’ny Sadc koa, ohatra, dia manatanteraka fivoriana ara-potoana.

Raha ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra malagasy ny alarobia teo dia misy fivoriana iraisampirenena telo efa fantatra amin’izao volana aogositra izao. Ny voalohany dia ny fivoriana an-tampon’ny Sadc hatao any Kôngô ny faha-17 sy faha-18 aogositra. Ny fivoriambe iraisam-pirenen’i Tokyo momba ny fampandrosoana an’i Afrika na « Ticad », andiany faha-8 dia hotanterahina any Tonizia ny faha-27 sy faha-28 aogositra, ary ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana andiany faha-77 dia hatao ny faha-20 ka hatramin’ny faha-27 Septambra any amin’ny foibeny any New York Etazonia. Ireo no voalaza fa handraisan’i Madagasikara anjara. Mety misy fivoriana iraisampirenena hafa izay any anivon’ny faritra na rafitra iray koa mbola handraisan’i Madagasikara anjara.

Ny itovian’ireny fivoriana rehetra ireny, na ny iraisampirenena na ny eto an-toerana, dia  natao na hatao mba hisehoana fa nisy ilay fivoriana ary nandray anjara ny firenena malagasy. Ny solontenan’ny firenena malagasy mandray anjara amin’ireny fivoriana iraisampirenena ireny dia manam-pahefana tompon’andraiki-panjakana fa tsy olonolom-poana. Vantanina ny resaka fa hatreto dia zary fitsangatsanganana sy fisehoana ivelany no misongadina ho antsika malagasy fa tsy miraharaha izay ho vokany miabo ho an’ny vahoaka malagasy izy ireny. Ny mpiara-mivory avy amin’ny firenena hafa indray aza indraindray no miady ho antsika na miady ho an’ny samy firenena mitovitovy dia mba tafiditra isan’ny misitraka izany isika. Ny minisitra sasany dia re fa manao tsidi-pahitra fotsiny ao amin’ilay fivoriana fa ny fiantsenana no mahadodona azy, dia manararaotra mividy fanomezana manokana ho an’ny filoha. Ankoatra izay dia toy ny mpizahatany.

Ny tena fivoriana iraisampirenena anefa, raha ny lojikany, dia misy fikarakarana mialoha, misy fanomanana ; ka arakarak’izay no andraisan’ny firenena iray anjara na tsia fa tsy andehanana avokoa na tsy hisy na inona na inona ho an’ny firenenao aza. Ny vokatra tokony hisongadina koa dia tsy fiaraha-miasa amin’ny sandan’ny tetik’asa manodidina ny 5 ka hatramin’ny 25 Tapitrisa dolara fa amin’arivony tapitrisa dolara (miliara dolara), raha filohampirenena no mandray anjara amin’ilay fivoriana, na anjatony tapitrisa dolara maromaro raha minisitra no mandeha any. Tokony ho teknisiana tsotra raha mbola latsaky ny 50 Tapitrisa dolara ny sandan’ny tetik’asa ho azo any. Ny filohampirenena na minisitra eto amintsika anefa matetika dia miady mifampisisika amin’ny teknisaina tsotra rehefa hamonjy fivoriana any ivelany. Mahamenatra !

Tohanana

Lire aussi