La Gazette de la grande ile

Raharaha Apollo 21 : Tsy noraisin’ny « cours de cassation » ny fangatahan’ireo voaheloka

Publié le 27 août 2022

Mijanona any am-ponja ireo olona voaheloka tamin’ilay raharaha Apollo 21 na ny fikasàna hamono ny filoham-pirenena izay ahitàna an’i Paul Rafanoharana, Aina Razafindrakoto ary ilay teratany frantsay Philippe François. Tsy noraisin’ny fitsarana mpandrava didy (Cours de cassation) mantsy ny fangatahana nataon’ny mpisolovavan’ireto voaheloka ireto izay mitaky ny hanafoanana ny didim-pitsarana manameloka azy ireo, nivoaka tamin’ny volana desambra 2021. Nilaza ny tsy hijanona amin’izao moa ny mpisolovavan’izy ireo fa hiroso amin’ny dingana manaraka.

F. Tsihiavonana

Lire aussi