La Gazette de la grande ile

AKOM-BAOVAO SAMIHAFA

Publié le 28 septembre 2022

Famerenana ny trosan’i Madagasikara

Navadika ho tetikasa izany

 Ho sandan’ny tsy famerenan’i Madagasikara ny trosa izay novatsian’ny firenena Rosiana  ho an’ny firenena malagasy, dia nanambara ny Ambasadaoron’i Rosia, Andrey Vladimirovich Andreev izay miasa sy monina eto amintsika ny alatsinainy lasa teo raha nihaona tamin’ny filohan’ny Antenimierandoholona ,  fa havadika ho tetikasam-pampandrosoana ny trosan’i Madagasikara izany.

Sokatra naondrana tao Kaomoro

Nampodiana ny 48 isa

Mbola mitohy ny fanadihadiana ny teratany ejiptiana  tratra nanondrana sokatra tao amin’ny  Nosy Kaomoro. 48 no isan’ireo sokatra « Astro chelys radiata » tafaverina eto Madagasikara ny alatsinainy 26 septambra, raha ny 35 maty tamin’izany. Ny volana aogositra lasa teo no nahatrarana azy ireo.

Nangonin’i Soarak

Lire aussi