La Gazette de la grande ile

Efitrano fandihizana : Lasa sekoly fianarana tsy manara-penitra

Publié le 28 septembre 2022

Anatin’ny velirano fahefatra ny momba ny fanabeazana. Misedra olana goavana anefa ny Epp sy ny Ceg ao Ampahomanitra anatin’ny disitrikan’i Nosy Varika ao amin’ny faritra Vatovavy raha ny fitarainana avy amin’ireo ray aman-dreny mampianatra ny zanany. Toerana fanaovana alim-pandihizana sy fiangonana no zaraina ka lasa sekoly fianarana tsy manara-penitra ho an’ireo mpianatra any. Sady tsy misy ny latabatra fanoratana , no  tsy manana seza (banc)  ipetrahana izy ireo fa dia mitorombina amin’ny tany.  Efa nisy ireo mpitondra fanjakana nanome  toky sy fampanantenana ny hanarina ity  sekoly ity ary hanolotra fitaovana , saingy tsy tanteraka izany hatramin’izao. Malaza amin’ny famokarana lavanilina ity Ampahomanitra ity, izay tokony hanome fampivoarana manara-penitra amin’ny tontolo rehetra misy   any an-toerana.

Mifanohitra amin’izany kosa ny zava-misy ao amin’ny kaominina Belazao Antsirabe II . Nahazo Epp manarapenitra vaovao sy efitrano fanampiny ny lisea ao Tsarahasina miampy fitaovana avy amin’ny fikambanana tsy miankina Mada-Breizh.

Mbola maro ireo sekoly tsy manara-penitra mitafo lanitra manerana ny Nosy.

Aina Soa

Lire aussi