La Gazette de la grande ile

Asam-panjakana : Asa mampahantra

Publié le 28 septembre 2022

Mihazakazaka amin’ny asam-panjakana ny tanora Malagasy rehetra izay nahavita fianarana isakin’ny ambaratongany.Ny manana BEPC dia maniry ho polisy sy zandary ary mpampianatra any amin’ny EPP sy mpitsabo mpanampy. Ny manana Bacc dia te ho mpampianatra any amin’ny CEG. Ny ao ambonin’izay dia ny mpiasam-panjakana ambony , dia ny tale sy ny tale jeneraly any amin’ny ministera sy ny sisa. Hatrany amin’ny mpampianatra any amin’ny oniversite no voakasik’ity fanadihadiana ity avokoa.

Ireo mpiasam-panjakana ireo dia isan’ny olona mahantra eto Madagasikara ankehitriny. Tsy velon’ny karamany intsony na inona na inona no sokajy misy azy. Tsy maintsy mitrosa izay vao mahatapitra ny iray volana. Misy aza no manao trosa maharitra any amin’ny banky ka atao antoka amin’izany ny karama raha toa ka mba tehanana trano.

Ny tena voa mafy dia ireo mpampianatra be diplaoma any amin’ny oniversite. Tsy hita intsony ny mampiavaka azy ireny fa voatery mandeha taxi-be toa ny olona rehetra. Mandeha an-tongotra toa ny olona tsotra. Tsy hita intsony ny mampiavaka azy. Santionany amin’ny fahantran’ny mpiasam-panjakana eto Madagasikara ireo. Tsy tenenina in tsony ny “maître fram”.

Mahagaga anefa fa mbola mihazakazaka manao izay hidirana ho mpiasam-panjakana ny tanora Malagasy nahavita fianarana rehetra. Manao risoriso sy kolikoly ny ankamaroan’ny Malagasy hiditra ho mpiasam-panjakana ka mandoa volabe. Ny mpiasam-panjakana lehibe sy mpanadina fanadinana koa manao kolikoly. Volabe no aloa vao tafiditra mpiasam-panjakana ankehitriny. Manjaka tanteraka ny kolikoly. Vokatr’izany dia lasa mpanao kolikoly koa ny mpiasam-panjakana rehefa mahazo toerana satria tsy afaka anefana ny vola lany nanaovana  kolikoly tamin’ny fanadinana ny karama kely raisin’ny mpiasam-panjakana.

Misisika hiasam-panjakana ny tanora Malagasy. Tsy hanankarena velively izy ireo noho izany. Ny fahantrana aza no miandry azy. Ny tsenan’ny asa eto Madagasikara nefa dia ny asam-panjakana no azo lazaina fa be indrindra. Mazava ho azy izany fa mangalatra izay mpiasam-panjakana manankarena ireo ka tokony hanaovana fanadihadiana manokana. Rehefa mahantra ny manampahaizana dia mahantra ihany koa ny firenena. Tsy mahagaga raha firenena faha-dimy mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi