La Gazette de la grande ile

Tazomoka : Aretina tsy tiana hofoanana

Publié le 28 septembre 2022

Tsy azo inoana fa tsy misy ny fanafody azo iadiana amin’ny tazomoka eran-tany. Ny aretina rehetra izay nisy teto amin’ity tany ity dia nahitan’ny manampahaizana fanafody avokoa. Ny tazomoka nefa tsy mba izany fa ataon’ny firenena mikambana sy ny manampahaizana tsy laharam-pahamehana ny fitadiavana sy ny fijerena ny fanafody tena hisakanana azy. Ny azo lazaina dia aretina hita aty amin’ny firenena mahantra ny tazomoka ka  mivadika resaka politika fotsiny.

Araka valan-dresaka siantifika iraisam-pirenena momba ny fahasalamana ny reny sy ny zaza ary ny ady amin’ny tazomoka eto Madagasikara natao ao amin’ny hotel Carlton omaly talata faha 27 septambra 2022, dia ny tazomoka no fototra faha dimy ny fahafatesana amin’ny hopitaly. Mahatratra 81,85% ny aretin’ny reny sy ny zaza latsakin’ny 15 taona dia noho ny tazomoka avokoa raha ny tarehimarika ny taona 2021 iny avy amin’ny ministeran’ny fahasalamana (PNLP)

Marobe ny aretina nitranga teto amin’izao tontolo izao fa nahitana fanafody avokoa. Ny Tazomoka nefa tsy isan’izany. Lasa resaka politika sy fitadiavam-bola hoan’ny firenena mikambana. Be dia be ny vola laniana amin’ny tazomoka nefa tsy mety afaka izany satria tsy tiana hofongana.

Ankehitriny dia manao valan-dresaka mandritrin’ny telo andro ao amin’ny hotel Carlton ny ministeran’ny fahasalamana sy ny manampahaizana maro iraisam-pirenena. Tsy hampiova inona amin’ny aretina tazomoka eto Madagasikara izany fa toa ireny atrikasa sy fikaonandoha rehetra andaniam-bola ireny.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi