La Gazette de la grande ile

Volam-panjakana : 52 miliara Ar no voahodikodina

Publié le 28 septembre 2022

Ny firenena mandalo fahasahiranana, ny 81 isan-jaton’ny vahoaka Malagasy no miaina ao anaty fahantrana lalina, fa mirazotra amin’izany dia maro amin’ireo mpitondra sy tompon’andraiki-panjakana eto amin’ny firenena mangoron-karena mangalatra ny volam-panjakana. Omaly no nanao ny tatitra fanaony isan-taona teny amin’ny foibeny eny Antaninarenina ny IGE (Inspection Générale de l’Etat). Anisany nisongadina tao anatin’izay tatitra izay ny fahafantarana fa nahatratra 52 miliara ariary latsaka kely ny volam-panjakana voahodikodina teto amintsika, nanomboka ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny volana aogositra lasa teo, izany hoe tao anatin’ny valo volana. Mazava ho azy fa saika nahitàna izay fanodikodinam-bola izay avokoa ny rafi-panjakana rehetra misy eto amin’ny firenena, hatrany amin’ny vondrom-bahoaka itsijaram-pahefana.

Araka ­­ny fanazavana nomen’ny tale jeneralin’ny IGE, Daniel Randrianarivony, dia tafiditra tompon’andraikitra amin’ny ambaratongam-panjakana samihafa no tafiditra amin’izao fangalarana ny volam-bahoaka izao. Ao anatin’izany ny tompon’andraikitra eny anivon’ireo andri-panjakana lehibe eto amin’ny firenena, eny anivon’ny ministera sy sampandraharaham-panjakana samihafa, ary eny amin’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana araka ny efa voalaza tery ambony. Fantatra nandritra izay tatitra izay koa fa tsy ampy mihintsy ny isan’ireo mpanao fanadihadiana na inspecteur eo anivon’ny IGE. Raha 180 farafahakeliny ny inspecteur ilaina miasa eran’ny Nosy, dia 13 monja ny isan’izy ireo amin’izao fotoana. Noho izay tsy fahampian’ny inspecteur izay dia mbola lesoka lehibe eto amintsika ny fanarahamaso ny fampiasana sy ny fandaniana ny volam-panjakana. Nilaza mihintsy moa ny tale jeneralin’ny IGE fa tsy io vola 52 miliara ariary io fotsiny no volam-panjakana hita voahodikodina teto amintsika raha toa ka ampy tsara ny isan’ireo inspecteur manao ny fanadihadiana fa mety ho avo folo heny mihintsy aza. Izany rehetra izany no mbola manamarina fa fanjakan’ny totakely no misy eto Madagasikara amin’izao fotoana, ary ny mampalahelo dia zara raha misy voasazy ireo mpangalatra ny volam-bahoaka fa mijanona ho tsy maty manota.

F. Tsihiavonana

Lire aussi