La Gazette de la grande ile

Ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola : Tafapetraka ny politika anatiny iadiana amin’ny kolikoly

Publié le 28 septembre 2022

Ahitàna trangana kolikoly avokoa ny ministera rehetra eto amintsika. Noho izany indrindra dia nametraka politika anatiny iadiana amin’izany kolikoly anisany tena mamotika ny firenena izany ny ministeran’ny toakarena sy ny fitantanam-bola. Politika izay mazava ho azy niarahana niasa tamin’ny BIANCO izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny ady amin’ny kolikoly eto amin’ny firenena. Omaly moa no navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Plan Anosy io politika hapetraka ao amin’ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola io, ary tamin’izany koa no nanaovana ny fifanaovan-tsonia ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ity ministera ity sy ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco). Marihana fa ny SLCC (Service de la lutte contre la corruption) eo anivon’ny ministera no mandray an-tanana ny fanatanterahana ity politika ity izay miara-miasa amin’ny Bianco mazava ho azy. Ny andrasana moa dia mba tsy ho sehoseho ivelany fotsiny izao hoe fametrahana politika anatiny iadiana amin’ny kolikoly eo anivon’ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola fa mba tena hisy ny vokatra azo tsapain-tanana.

Ramanana

Lire aussi