La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday

Publié le 28 septembre 2022

Efa zatra miaina zavatra tsy lojika isika malagasy

Tena mahavariana ny mandinika sy mieritreritra ny fomba fiheveran’ny sokajin’olona sasany eto amintsika. Soa fa ny sasany fa tsy ny rehetra. Asa, satria ve izay no vokatry ny fahasahiranana mandavan-taona mitambaby amin’ny malagasy maro an’isa ka tsy afaka manavaka ny tokony ho izy amin’ny tsy tokony ho izy intsony ?

Raha miresaka raharaha politika isika, ohatra, dia ezahin’ny sasany pempoina ny tso-dahy sy tso-bavy mba homba anjambany ny eritreriny mba hihampangana ny hafa. Mandavan-taona ny fanaovana politika, na aiza na aiza. Ny fanaovana politika dia hevitra no resahina sy ifampizarana, fa ny fanaovana politika akory tsy fitaoman-jezika na fihazana lambo na fikapana kitay. Dia rehefa manazava ny heviny ny mpanao politika iray dia lazaina fa « manao fampielezan-kevitra politika mialohan’ny fotoam-pifidianana ».

Ny tokony ho izy na ny lojika dia hoe « mandavan-taona dia malalaka ny fanazavana sy fizarana hevitra araka ny sori-dalana sy foto-kevitra ijoroan’ilay antoko na ilay mpanao politika ». Araraotin’ny olona sasany mitana ny fahefam-panjakana ny trangan-javatra misy ka lazaina fa « tsy fotoana fanaovana politika izao fa andron’ny asa fa amin’ny fotoam-pifidianana miresaka politika ». Dia rarana amin’ny fomba rehetra ny mpanao politika ivelan’ny fitondrana tsy ho afaka manazava hevitra politika. Ny mpiara-dia amin’ny mpitondra anefa, malalaka manazava ny hevitra politikany. Tsy lojika politika anefa izany.

Miresaka raharaha ara-toekarena indray isika, ohatra. Ny lojika dia fanampiana antsika ny vola avy any ivelany, na fisamborana anton’iny na fanomezana na fitrosana na fanjanaham-bola. Izay olom-pirenena milaza fa « tsy tokony hiankin-doha amin’ny fanampiana sy amin’ny fisamboram-bola avy any ivelany isika fa manana ny harem-be ahafahantsika miantoka ny vola hoentintsika manarina ny firenentsika amin’ny tontolo ara-toekarena sy ny lafiny ara-tsosialy », izy ireny indray no soketaina sy disoina hevitra. Satria efa nopempoina ny sain’ny olona maro hoe « tsy tafavoaka isika ary tsy afaka mihetsika raha tsy mahazo fanampiana na famatsiana vola avy any ivelany, dia na lavapiringa aza hatsangana dia itavandrana vola avy any ivelany, fa ny olona miteny hoe « ndeha isika hiantehitra amin’ny harenantsika sy hatoky ny herim-bahoaka amin’izay hataontsika »,  dia voasokajy ho tsy tia tanindrazana sy tsy tia fivoarana. Tratran’io aretina io na ny mpanohitra omaly ka lasa mitondra androany na ny nitondra androany ka lasa mpanohitra rahampitso, amin’ny ankapobeny.

Miresaka raharaham-pifidianana isika tato ho ato. Nanambara ny Ceni raha hiroso amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy fa « ezahina ny hampidirana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ny olona rehetra manana zo sy mahafeno ny fepetra takian’izany, ary hatramin’ny olona any amponja ka tsy mbola voatsara (izany hoe mbola tsy very zo), dia hosoratana ao anaty lisitra ». Dia manangam-bovona ny zatra niaina ny fiainana tsy lojika ka milaza fa « io ilay fanararaotana hampitomboana ny voasoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy mba hangalarana vato hampandaniana an-dRakoto na Rabe ». Rehefa mampiantso an’ireny sokajin’olona zatra mametraka olana amin’ny fomba tsy lojika ireny anefa ny Ceni, raha ny fahitana azy amin’ny haino aman-jery, dia tsy mba hita mipoitra mifanatrika sy mifanontany na mangataka fanazavana eny izy ireny. Manao adin’ny kanosa ny olona sasany eto ka any amin’ny fiainana tsy lojika no resahina mba hitarihana amin’ny lalan-diso ny vahoaka malagasy. Mila mitandrina ny tena tia tanindrazana sy tena mpanao politika malagasy.

Tohanana 

Lire aussi