La Gazette de la grande ile

LAVA MASO

Publié le 29 septembre 2022

– Dokotera oh !… Dokotera oh !…Vonjeo fa lasa adala aho e !… Lasa adala aho, Dokotera ô !

– Inona, àry, ‘ty ?… Olona mahatsiaro tena ve, ianao, dia lasa adala e ?

– Lasa adala aho, ho’aho !

– Tena tsy azoko !

– K’izao no maha-lasa adala ahy e !… Isaky ny avy miasa amin’ny hariva aho dia mividy apombo hohanin’ny kisoa foana !… Lasa adala aho, Dokotera ô !

– Ka raha mividy ho an’ny kisoa, ve, ianao dia lasa adala izany?

– Eny, Dokotera !… Satria tsy miompy kisoa, anie, aho e !

– ???

Lire aussi