La Gazette de la grande ile

AKOM-BAOVAO SAMIHAFA

Publié le 29 septembre 2022

Madagasikara-Frantsa

Niaka-dapa ny masoivoho vaovao

Omaly no niaka-dapa teny Mavoloha ny masoivohom-panjakana vaovao avy amin’ny Repoblika Frantsay, Arnaud Guillois, ka nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara avy amin’ny filohampirenena frantsay, Emmanuel Macron. Ny filohampirenena malagasy, Andry Rajoelina no nandray izany, Mazava ho azy fa samy naneho ny fahavononany fampiroborobo sy hanamafy ny fiaraha-miasa efa hatry ny ela eo amin’ny tany roa tonta ny andaniny sy ny ankilany omaly. Resaka diplaomasia ka tsy nisy ny hoe « ianareo frantsay no nampahantra anay satria nanjanaka anay nandritra ny 60 Taona mahery », na koa hoe « isaorana an’Andriamanitra ianareo malagasy fa raha tsy izahay frantsay no nanjanaka anareo dia mbola mety sahirana toa izao ianareo na amin’izao taona arivo fahatelo aty aza.

Antananarivo

Hijaly rano anio alakamisy

Mitsahatra mandritra ny ora efatra na ora valo na tapak’andro mihitsy, arakaraky ny faritra, ny famatsiana rano avy amin’ny Jirama ho an’ny mponina, anio alakamisy, hoy ny Jirama. Ny dikan’izay dia hijaly rano fisotro madio indray izany ny eto andrenivohitra anio. Ny antony, raha ny fanazavan’ny Jirama, dia ho fanadiovana ny fitaovam-pikirakirana ny rano hamatsiana ny mponina sy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa momba izany.

Raharaham-pifidianana

Nifarana ny fanofanana ireo mpanao gazety

Mpanao gazety malagasy roapolo mianadahy avy amin’ny lafy valon’ny Nosy, no niofana momba ny tontolon’ny fitrandraham-baovao momba ny fifidianana. Ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana no isan’ny mpiara-niombona antoka tamin’ny Vaomierampirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) tamin’izany. Mbola hitohy any amin’ny ambaratongan-drafitra izao fanofanana mpanao gazety izao izay hifototra amin’ny fitrandraham-baovao sy fampitam-baovao momba ny tontolom-pifidianana.

Hopitaly manara-penitra

Sarona ireo mpandroba

Tao Tsaragisy Vondrozo ny hopitaly manara-penitra izay voaroban’ny mpiambina azy ihany tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Tompon’antoka tamin’ny fandrobana ity hopitaly ity io mpiambina azy io. Tratra tao an-tokantranon’ny zanany ny fitaratra miisa telo niaraka tamin’ireo varavarana very sy simba. Voaray ho mpiray tsikombakomba tamin’io koa ny mpividy ny halatra.

Pharmalagasy

Niala ny mpiasa maro

Misedra olana ny orin’asa malagasy mpanao fanafody « Pharmalagasy » izay nanamboatra ny fanafodin’ny Covid 19 tamin’ny alalan’ny zavamaniry teto Madagasikara. Volana maro izao no re fa tsy nisy famokarana intsony tao amin’ity orin’asa ity ka nitarika ny tsy naharaisan’ny mpiasa ny karamany. Noho izany dia maro tamin’ireo mpiasa no niala.

Nangonin’i Soarak

Lire aussi