La Gazette de la grande ile

CFM : Mitohy ny tsy fanajana lalàmpanorenana

Publié le 29 septembre 2022

Tampitra ny fepotoana hiasan’ny CFM (komitin’ny fampihavanam-pirenena). Ny andininy faha 168  ao anatin’ny lalàmpanorenana no mametraka ity andrimpanjakana ity. Raha toa ka mbola fanjakana tan-dalàna i Madagasikara  dia tsy maintsy soloina ao anatin’ny fepotoana voalazan’ny lalàna (5 taona) ny olona ho ao anatin’ity andrimpanjakana ity.

Maro no tsy fanarahana ny lalàmpanorena amin’izao fanjakana izao. Ny fametrahana ny farintany araka ny voalaza ao andininy faha 157ka hatramin’ny 160 dia mbola tsy narahina koa na dia rafitra lehibe amin’ny fitsinjaram-pahefana aza izany. Ny fametrahana ny governora ho filohan’ny faritra dia tena fandikana lalampanorenana tanteraka satria tsy voalaza ao io. Voalaza ao amin’ny andiany faha 153-156 fa fidina ny olona hitantana faritra fa tsy tendrena. Tena fandikan-dalàna sy fanosihosena ny lalàmpanorenana izany.

Mahakasika ny momba ny CFM manokana dia tsy hiditra amin’ny fahavitan’ny mpikambana teo aloha ny asany na ny andraikitra nankinina taminy isika na tsia fa ny fampiharana ny lalàna kosa. Na nandeha na tsy nandeha ny asa tao dia tokony efa niasa indray ny mpikambana vaovao amin’izany. Raha toa ka tsy hasiana intsony ity CFM ity dia tokony hosoloina izany ny lalàmpanorenana ity.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi