La Gazette de la grande ile

Soatoavina : Izay manam-bola no olon-kendry

Publié le 29 septembre 2022

Potika tanteraka ny soatoavina Malagasy amin’izao andro iainanan-tsika izao. Tsy misy intsony izany fahendrena, fifanajana, fifan-katiavana ary ny firaisan-kina.  Very tanteraka ny resaka soa iombonana sy firenena izany. Samy mandeha samy mitady ny tsirairay ka ny vola no mibaiko sy manjaka ary mamaritra ny fiaianan’ny Malagasy. Ny ankoatran’izay dia rediredy fotsiny satria sahy mamono olona amin’ny vola 10 000 ariary  ny malagasy

“Aleo very tsikalakalam-bola toa izay very Tsikalakalam-pihavavanana” hoy ny Ntaolo. Rehefa tonga  teto Madagasikara ny frantsay mpanjanantany ny taona 1896 dia nahazo laka be ny vola ka nivadika hoe “ny vola no maha rangahy”. Tsy nisy intsony izany fanajana ray aman-dreny izany nanomboka teo fa izay be sy manam-bola no mibaiko sy fianakaviana.Tsy hita intsony ny fahalalam-pomba sy fanajana olona fa vola hatrany no mibaiko ny fiainanan ao anatin’ny fiaraha-monina. Ny vola no lasa mpanabe sy mpampianatra ka rehefa manam-bola dia toan-teny ao anatin’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina na dia mbola voatavo tsy mifandraka aza. “Ny omby mahia tsy lelafin’ny namany” hoy ny fitenenana ka dia manampahaizana sy manam-pahendrena sy tsara fitondran-tena aza dia rehefa tsy manam-bola sy tsy manan-karena dia tsy raharaha ny fiaraha-monina. Ny fitafy sy fananan-karena no mamaritra ny fifanajana.

Eo amin’ny raharaha politika indray dia mazava izao ny resaka fa rehefa tsy manam-bola dia aza mieritreritra ny ho isan’ny mpitondra firenena intsony. Ny fifidianana eto Madagasikara dia izay manam-bola no tsy maintsy lany. Vidina ny safidim-bahoaka ka ny manam-bola no manjaka. Na gaigy na Hendry na mpangalatra na mpamono olona rehefa manam-bola dia voafidim-bahoaka. Ny Malagasy koa efa voafehin’ny vola tanteraka ka tsy misy intsony izany fitiavan-tanindrazana izany. Tsy ny firenena intsony no mibaiko ny mpanao politika fa ny vola sy ny bizina. Hatrany amin’ny fidirana ho mpiasam-panjakana sy ny fifaninana rehetra eto Madagasikara dia ny vola avokoa no mibaiko azy. Ny kolikoly no manjaka ary ny risoriso no zary fianana amin’ny an-davan’andro ny Malagasy.  5 tapitrisa ka hatrany amin’ny 50 tapitrisa ariary no resaka mandeha amin’ny risoriso sy ny kolikoly amin’ireny fifaninana ireny. Hatrany amin’ny fidirana ho mpampianatra “fram” ka hatrany amin’ny “magistrat” izany.

Ny filohan’ny repoblika nanomboka ny taona 2001 ka hatramin’izao 2022 izao dia olona manam-bola be avokoa. Ravalomanana Marc,Hery Rajaonarimampianina, Andry Nirina Rajoelina; Ireo olon-kedry sy manampahaizana sy feno fahalalana  dia tsy nisy nahomby fa tsy manam-bola ka tsy nofidian’ny vahoaka. Very ny soatoavina sy ny fahendrena Malagasy.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi