La Gazette de la grande ile

EPP ao Ambodivoara Andingadingana : Tsy nomen’ny Fanjakana hasina ny fanolorana azy

Publié le 29 septembre 2022

Ny 23 septambra 2022 lasa teo no nanao rodobe tany Ambodivoara, fokontany Andingadingana, Kaominina Suburbaine Ambatondrazaka ny mpikambana ao amin’ny ABED Madagasikara ny ny Fikambanana iraisam-pirenena miahy ny zaza sahirana. Ireto farany izay tonga nanolotra EPP vaovao izay nantsangan’ny fikambanana tao an-toerana. Firenena miisa sivy manerana izao tontolo izao no iasan’ny ABED, ao anatin’izany i Etazonia, Alemana, Togo ary i Benin. Tonga tao Ambodivoara Andingadingana mihintsy moa ny filoha mpanorina ny ity fikambanana iraisam-pirenena mpanao asa soa ity dia i Omer Ouedraogo. Mitentina 50 tapitrisa ariary ny tenti-bidin’ny fotodrafitrasa izay nomena maimaim-poana satria tsy mba nanana sekoly manaraka ny fenitra kely indrindra takiana ny mpianatra ao amin’io fokontany io, hatramin’izay.Hary fomba tokoa ny sekoly satria ahitàna ny fotodrafitrasa rehetra ilain’ny mpianatra. Noho ny mbola tsy fisian’ny fampitaovana nampanantenain’ny tompon’andraikitry ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena nandritry ny fametrahana vato fototra anefa dia voatery nanome dabilio miisa 30 ny ABED. Raha tsahivina mantsy dia nampanantena ny hanolotra dabilio sy mpampianatra ny DREN sy ny Chef Cisco any an-toerana.  Notokanana ny asa vita ankehitriny, ny zava-nisy anefa dia tsy nisy nipoitra na iray aza ny tompon’andraikitra avy amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Indrindra fa ireo nampanantena ny hanome fitaovana hampiasaina ao anatin’ny sekoly. Marihana fa ankizy 150 no afa-pahasahiranana amin’ny fahazoana izao EPP vaovao izao.

Lalao. R

Lire aussi