La Gazette de la grande ile

Minisitry ny raharaham-bahiny : Mihantsy ny filohampirenena

Publié le 29 septembre 2022

Isan’ny teboka mbola itarafana ny fahaiza-mandresy lahatra eo amin’ny fitondram-panjakana malagasy ny firenena frantsay ny momba ireo Nosy Malagasy Manodidina na « Iles Eparses ». Maro ny olona manara-maso akaiky ity raharaha ity satria toa mitarazoka. Efa tamin’ny volana may 2019 no niresahan’i Andry Rajoelina voalohany azy io teo imason’i Emmanuel Macron, filoha Frantsay, ary voambara teo anoloan’ny mpanao gazety tany Frantsa. Dia hoe natsangana ny Komity iombonana eo amin’ny firenena roa tonta mba handinika ny famerenan’i Frantsa an’ireo Nosy ireo amin’i Madagasikara.

Isaky ny miresaka an’ireo Nosy ireo ny filohampirenena dia manipika hatrany fa « antsika malagasy ireo ary ny famerenana an’ireo Nosy ireo amintsika no nananganana ny komity iombonana ».

Ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy, Richard Randriamandranto, anefa dia sahy nampiseho imasom-bahoaka ny fifanipahan-keviny amin’ny filohampirenena momba ireo Nosy malagasy ireo. Nandritra ny fanazavana ny momba ny fanavaozana ireo mpikambana mandrafitra ilay « komity iombonana » avy amintsika malagasy, dia isan’ny nambaran’ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy ny hoe « ny fiaraha-mitantana amin’i Frantsa no safidy hirosoana ».

Io ilay fihantsiana ka itarafan’ny mpandinika hoe « hanana finiavana hanaisotra an’io Minisitry ny raharaham-bahiny io amin’ny toerany ve ny Filohampirenena satria tena mamoehitra ny resaka toa izany ? Ny filohampirenena milaza tsy mivilambilana fa « antsika malagasy ireo Nosy ireo » nefa ny minisitry ny rahatraham-bahiny misafidy ny hiara-mitantana amin’i Frantsa. Izany hoe manan-danja amin’i Richard Randriamandranto izany ny tenin’i Emmanuel Macron, fony izy nandalo tao amin’ny Nosy « Ile Glorieuse » ka nilazany fa « ici, c’est la France ».

Ny mahavariana ny mpitazana koa aloha dia toa tsy nisy resaka io teboka io nandritra ny fandraisana ny taratasy manendry ny masoivoho vaovaon’i Frantsa eto, na teny amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny na omaly teny Mavoloha. Ny fihaonana teo amin’i Macron sy Rajoelina farany teo tany Frantsa no nahenoana tsilian-tsofina fa isan’ny nampiakaran’i Macron feo ny momba ireo Nosy ireo….mba ho takalon’ireo teratany frantsay voarohirohy tamin’ny raharaha Apollo 21.

Tsimba

Lire aussi