La Gazette de la grande ile

Mpanao poltika : Very fanantenana ireo mpitady seza

Publié le 29 septembre 2022

Somary nangina indray, tato ho ato, ny fitakiana fikaonandoham-pirenena avy amin’ireo mpanao politika ivelan’ny fitondrana, voalohany amin’izany ireo mpikambana ao anatin’ny vovonana RMDM (Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demôkrasia eto Madagasikara). Raha nangataka fikaonandoham-pirenena mantsy ireo mpanao politika ireo dia hita fa tsy nasian’ny fitondram-panjakana sira mihintsy na ny kely aza. Taorian’izay moa dia ny FFKM (Fiombonamben’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara) indray no mangataka fifampiresahana eo amin’ireo hery velona rehetra eto amintsika mba afahana manarina ny firenena izay ambaran’izy ireo mandalo fahasahiranana lalina, ankehitriny. Mazava ho azy fa manohana tanteraka izany antso ataon’ny FFKM izany ireo mpanao politika ivelan’ny fitondrana, indrindra fa ireo avy amin’ny fanoherana.

Very fanantenana tanteraka anefa ireto mpanao politika ireto, ankehitriny, satria dia mieritreritra ny hiroso amin’izany fikaonandoham-pirenena izany mihintsy ny fitondrana. Manamarina izany ny teny nataon’ny filoham-pirenena, herinandro vitsy lasa izay, nanambarana fa tsy misy krizy araka ny voalazan’ny mpanao politika sasany eto Madagasikara amin’izao fotoana. Mbola nohamafisin’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina tao anatin’ny fandaharana « Tsy ho tompon-trano mihono », tamin’ny zoma 15 septambra lasa teo izany. I Lalatiana Rakotondrazafy izay nitsipaka marindrano ny fitakiana ataon’ny FFKM amin’ny tokony hisian’ny dinika nasionaly eo amin’ireo hery velona rehetra. Very fanantenana noho izany ireo mpanao politika satria io fikaonandoham-pirenena io no nieritreretin’izy ireo hidirana ao anaty fahefana. Marihana ihany fa rehefa miresaka fikaonandoham-pirenena na dinika nasionaly izany ny mpanao politika, tsy ny amin’izao ihany fa hatramin’izay, dia tanjona ambadik’izany foana ny fizaran-tseza. Amin’ny ankapobeany mantsy dia ireo mpanao politika tsy sahy mihatrika fifidianana mihintsy noho ny tsy fananam-bola na tsy fananana mpifidy mihintsy no mpitaky an’io fikaonandoham-pirenena io.

F. Tsihiavonana

Lire aussi