La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday

Publié le 29 septembre 2022

Mbola andevo ny ankamaroan’ny mpiasa malagasy

Homarihina ny faha-7 Oktobra ho avy izao ny Andro Maneran-tany ho an’ny Asa Mendrika. Inona moa izany « asa mendrika » izany ? Maro ny mason-tsivana ahafahana mitaratra ny asa iray mba hambara fa « mendrika ».

Voalohany aloha dia asa mifanandrify amin’ny zakan’ny ain’olombelona. Misy ny asa izay tsy sahaza ny vanim-potoana ankehitriny intsony nefa dia mbola misy eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Moa va tsy toa ireo mainty hoditra nampiasain’ny amerikana tany amin’ny toeram-pitrandrahana harin-tany tany Amerika tany amin’ny taon-jato faha-18 tany. « Andevo » ara-bakinteny e !

Ny ora iasana koa dia efa noferan’ny lalàna velona fa 8 ora isanandro na 40 ora isankerinandro. Mason-tsivana iray itarafana ny « asa mendrika » ny fanajana ny ora fiasana. Ny ora fialan-tsasatry ny mpiasa koa dia tafiditra ao anatin’izany. Maromaro ny endrika isehoan’izy io. Ao ny ora ivelan’ny 8 ora isanandro sy ny ankoatry ny 40 ora isan-kerinandro, fa ao koa ny fialan-tsasatra andraisan-karama, izay roa andro sy tapany isam-bolana. Ny karama koa dia tena mason-tsivana goavana mamaritra ny « asa mendrika ». Ny karama mantsy dia ankaotry ny maha-valin-kasasarana azy dia tokony ho afaka miantoka ny farafahakelin’ny filana fototr’ilay mpiasa sy ny vady aman-janany.

Eto amintsika moa, na efa nofaritan’ny lalàm-panjakana aza fa « 250.000 ariary ny karama farany ambany » dia mbola misy mahasahy manarama olona 100.000 ariary ihany, ary amin’izay, na mpiasa farany ambany na mpiasa tokony hanana sokajin’asa ambonimbony kokoa dia 100.000 ariary. Tsy « asa mendrika » izany satria na ilay 250.000 ariary aza dia ambilom-bazana, hoy ny fitenenana ; ka raha vao sendra aretina ny iray amin’ny ao ankohonana dia tsy maintsy itrosana. Tsy tafiditra ao ny akanjo sy ny zavatra ankoatry ny sakafo ambany foitra isanandro.

Mbola misy ny teboka azo tanisaina mba hahato ny « asa mendrika » fa ndeha hatsahatra eo ny fitanisana. Isika mpiasa rahateo, mahafantatra , indrindra fa mpiasa mpikatroka amin’ny sendika.

Ka raha hankalaza ny andro maneran-tany ho amin’ny asa mendrika isika, afaka hafoloana eo, dia tokony hifampahatsiahivana ny mason-tsivana mamaritra izany maha-« asa mendrika ny asa mendrika » izany.

Mety hisy hilaza hoe « tokony tsy hitaky amin’ny fomba mahery vaika ny fanajana sy fampanjariana ny asa mendrika  ny mpiasa satria mety hamono ny orin’asa izany ka hihafara amin’ny tsy fisian’asa ». Tena marina io. Tsy maintsy atao tery omby ririnina ny raharaha,  ka atao izay tsy hahabotry an-janany fa ezahina ny tsy hahafaty andreniny. Tsy afaka hiantoka ny fampanjariana ny « asa mendrika » amin’izao koa anefa ny mpampiasa na ny tompon’ny orin’asa fa tsy maintsy miditra an-tsehatra ny fanjakana. Eo no isarihana ny sain’ny rehetra fa manana adidy amin’ny fampanjariana ny « asa mendrika » ny fanjakana. Iray amin’izany ny fametrahan’ny fanjakana ny antsoina hoe « politikam-pirenena momba ny asa ». Mifaningotra amin’izany ny tsy maintsy ikatsahan’ny fanjakana ny fomba rehetra hampiroboroboana ny toeram-piasana eto, manomboka amin’ny madinika indrindra ka hatramin’ny goavana indrindra. Fototr’izany ny tsy fiankinan-doha amin’ny any ivelany sy ny fanajana ny fiandrianam-pirenena, ary ny fianteherana amin’ny harena misy eto sy ny olombelona eto.

Tohanana

Lire aussi