La Gazette de la grande ile

Lisitry ny mpifidy : Atsangano ny Andrimasom-pokonolona

Publié le 05 octobre 2022

Rehefa hiroso amin’ny fifidianana ny firenena dia  matetika miantefa any amin’ny mpitondra fanjakana ny fanakianana sy ny fanoherana mbamin’ny ahiahy. Raha ny tantaran’ny firenena no itodihana dia ny hala-bato na ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka no nifandroritana sy niteraka korontana teto. Hatramin’ny fifidianana filohampirenena tamin’ny 1965 ka nifanatrehan’i Tsiranana sy ny Dr Raseta Joseph no nisy ny hala-bato. Nitohy taty amin’ny taona 1982 tamin’ny fifaninanan-dRatsiraka sy Monja Jaona izany. Azo resahina ny tamin’ny 1989 izay nirotsahan’i Manandafy Rakotonirina sy Monja Jaona ary Razanabahiny Marojama sy Ratsiraka.

Ny tsy azo ikimpiana koa anefa dia nisy ny sarimihetsika politika tamin’ny raharaham-pifidianana sasany teto. Tamin’ny fifidianana ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra tamin’ny taona 1999 dia nandrotsaka ny Jeneraly Rakotosoa Benjamin ny antoko Arema. Nirotsaka koa Ravalomanana. Tamin’izany moa dia mbola nisy ny fahafahana maka didim-pitsarana (ordonnance) ho an’izay olona tsy tafiditra ao anaty lisi-pifidianana. Dia nitsikombakomba Ratsiraka sy Ravalomanana ka nakarina teto Antananarivo ny zazavao (hiditra ho miaramila) an-jatony, dia nasaina naka « ordonnance » teny amin’ny fitsarana, ka afaka nifidy teto andrenivohitra. Ny sasany tamin’izy ireo aza dia afaka nifidy tamin’ny biraom-pifidianana maromaro. Nihevitra ny olona fa « nifidy ny Jeneraly Rakotosoa Benjamin, kandidan’ny Arema izy ireny, kay nifidy an-dRavalomanana. Tampina ny daomy tamin’izany.

Amin’izao fotoana,  ampangain’ny mpanohitra hanamaro isa (hampibontsina) ny olona soratana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy izay arafitra na avaozina tanteraka amin’izao fotoana ny fitondrana. Io moa dia efa noresahina teto fa ny fijoroan’ny rehetra manara-maso ny lisitry ny mpifidy dieny mbola any amin’ny fokontany ka hatrany amin’ny rantsa-mangaikan’ny Ceni any amin’ny distrika ka hatrany amin’ny foibe no nifanentanana. Dia nanentana ho amin’izany koa ry Ravalomanana sady nanainga ny tsirairay ho mailo ka hanara-maso akaiky.

Omaly anefa dia re fa nampiakatra olona avy any Vakinankaratra sy Bongolava niazo ny renivohitry ny Betsimisaraka ry Ravalomanana ka tonga any ho mpitarika posiposy ( ???) ary mirohotra miditra any amin’ny fokontany ka misoratra anarana ho isan’ny mpifidy. Ny fanaraha-maso izany koa dia ilaina satria tokony misy fifindra-monina avy any amin’ny niaingany ary tokony ho hita soritra ny namafana ny anarany tany amin’ny niaingany.

Ny fananganana na fanamafisana ny rafitry ny Andrimasom-pokonolona no fanafodin’izany rehetra izany. Tsy ny tsy fisian’ny fandriampahalemana ihany no tokony miasa ny Andrimasom-pokonolona fa amin’ny raharaham-bahoaka rehetra toa izao fandrafetana ny lisitry ny mpifidy izao koa. Tsy hoe raha any amin’ny fanoherana ry Ravalomanana dia tsy afaka manatevina na mampibontsina ny lisitry ny mpifidy, ka ny fanaraha-maso entitra no vahaolana mahomby hahafahana mampanjaka ny fahamarinana sy ny mangarahara e !

Tsimba

Lire aussi