La Gazette de la grande ile

Fidinan’ny filoha tany Toamasina : Voahilikilika ny mpanao gazety tao an-toerana

Publié le 06 octobre 2022

Tsy nilamina ny arofenitra nandritra ny fitsidihim-paritra nataon’ny filoham-pirenena tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, ka nanaja tena niala ny mpanao gazety tsy miankina am-polony avy amin’ny faritra Atsinanana. Araka ny fandaminana napetraky ny fiadidiana ny Repoblika mantsy dia tsy mahazo niditra tao anatin’ireo fiara natokana hitondra mpanao gazety ireo mpikirakira vaovao avy any an-toerana fa ireo avy aty Antananarivo efa mpanaraka ny filoham-pirenena ihany no nomena alalàna. Tsy nankasitraka izany fihetsika izany moa ireo mpanao gazety avy ao amin’ny faritra Atsinanana satria ho azy dia mendrika ho fanilikilahana ankitsirano izany ary natao teny imasom-bahoaka. Nilaza moa ny solontenan’ireo mpanao gazety voahilika ireo fa fanaovana tsinontsinona ny asa fampitam-baovao no nataon’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny prezidansa tokony ho fantatry ny vahoaka izao zava-nitranga izao. Niezaka niantso ireo mpanao gazety voahilika mba hiverina hanao ny asany moa ireo manam-pahefana tao an-toerana  eny toy ny governoran’ny faritra Atsinanana, ny talem-paritry ny kolontsaina sy serasera, ny solombavambahoaka, saingy tsy noraharahin’izy ireo intsony.

Lalao. R

Lire aussi