La Gazette de la grande ile

Solitany eto Madagasikara : Tsy antenaina hitondra fandrosoana

Publié le 06 octobre 2022

Iray amin’ireo harena lehibe hananan’i Madagasikara ny solitany (pétrole). Araka ny tarehimarika navoakan’ny OMNIS (Office Nationale des Mines et des Industries Stratégiques), tamin’ny volana aprily 2021, dia vinavinaina ho 4 miliara barils ny tahirina solika mavesatra na ny huile lourde ao Tsimororo sy Bemolanga izay trandrahan’ny orinasa Madagascar Oil. Tsy mbola hita mazava aloha hatreto ny tena vokatsoa nentin’io fitrandrahana any Tsimiroro sy Bemolanga io amin’ny fiainan’ny vahoaka Malagasy izay tsy mitsahatra mitotongana. Maro amin’ny olom-pirenena anefa no resy lahatra fa tombotsoa lehibe ho antsika eto Madagasikara ny fananana solitany afahana mampandroso ny firenena. Raha ny tatitra navaokan’ny Kabinetra fakan-kevitra norvezianina Rystad izay nanao fikarohana mikasika ny solitany eto Madagasikara, dia sarotra ny inoana fa hitondra fandrosoana ho an’ny firenena malagasy izany na amina miliara barils maromaro aza ny tahiry eto amintsika. Marihana fa ny WWF na ny Fonds Mondial pour la Nature no nampanao ny fikarohana ny Kabinetra norvezianina Rystad izay havanana manokana amin’ny resaka fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.

Araka ny fanazavana nomen’i Nanie Ratsifandrihamanana, talen’ny WWF Madagasi­kara izay nitondra fanazavana momba ny voka-pikarohana nataon’ny kabinetra Rystad, dia tsy hisy tombony betsaka araky ny eritreretin’ny maro ny fampiasam-bola amin’ny fitrandrahana solitany eto amintsika rehefa natao ny kajy samihafa. Tsy toeram-pitrandrahana (gisement) fotsiny no ilaina raha tena hampiasa ny solika eto Madagasikara fa misy ny fotodrafitrasa lehibe maro mifanaraka amin’izany. Tsy hanana enti-manana hanatanterahana izany mihintsy anefa ny Fanjakana malagasy fa tsy maintsy ireo orinasa vahiny lehibe ihany no afaka manao izany, hoy ihany ramatoa Nanie Ratsifandri­hamanana. Nambarany ity farany ihany fa sarotra ny inoana fa hisy orinasa na mpampiasa vola vahiny lehibe hisehatra amin’ny fitrandrahana solitany eto amintsika satria noho ny toe-draharaha misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ankehitriny, dia tsy rototra firy amin’ny fitrandrahana solika (pétrole) intsony ireo firenena matanjaka fa mitodika bebe kokoa any amin’ny karazana angovo hafa.

F. Tsihiavonana

Lire aussi