La Gazette de la grande ile

Fivavahana : Ihazakazahan’ny mpanao politika

Publié le 06 octobre 2022

Lasa mandeha any amin’ny filohan’ny fiangonana sy ny sekta avokoa ny mpanao politika malagasy amin’izao fotoana izao. Na ireo mpanohitra na ny mpomba ny firenena ankehitriny dia midodododo any amin’ny fivavahana avokoa satria ankaiky ny fifidianana. Niarahana nahita ny famonjena ny fivoriam-piangonana isan-karazany teto amin’ny firenena nanomboka ny volana jolay 2022 teo ka hatramin’ny volana septambra. Hatrany Antsiranana ka tonga taty Mahajanga sy Toamasina ary Antsirabe izany. Katolika, FLM, FJKM , Anglikanina sy ny sekta isan-karazany dia samy tafiditra amin’izany avokoa. Tsy vitan’izany fa hatrany amin’ny fandehanana any Vatican any Italie handohalika eo anoloan’i Papa François no ataon’ny mpanao politika.

Andry Nirina Rajoelina, Ravalomanana Marc, Siteny Randrianasoloniaiko ary pastera Mailhol dia samy mihazakazaka amin’izany avokoa. Midika  izany fa tsy mahomby intsony ny antoko politika ka ny fivavahana  indray no atao fitaovana  ho entina handresen-dahatra amin’ny fifidianana sy hisarihina olona.

Tsy hita intsony ny maha firenena tan-dalàna sy laika an’i Madagasikara. Manaonao foana ny mpanao politika ankehitriny. Tsy mahagaga raha toa ka mivaona ny fitantanana ny firenena satria tsy misy intsony ny fanarahan-dalàna sy  ny fenitra intsony.

Aoriana ao dia azo antoka fa hisy koa ny  mpanao politika izay miandany amin’ny finoana  silamo. Ny silamo izay manomboka mahazo vahana amin’izao fotoana izao eto Madagasikara. Koa ilaina ho mailo ihany isika vahoaka eo anatrehan’izany satria  tsy hita intsony ny tena maha fanjakana laika an’I Madagasikara ankehitriny. Ratsy dia ratsy hoan’ny firenena raha izay no mitranga.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi