La Gazette de la grande ile

AKOM-BAOVAO SAMIHAFA

Publié le 06 octobre 2022

Fampianarana

Mpampianatra mahantra no atao fitaratra

Nomarihina omaly faha-5 oktobra ny « Andro  Maneran-tany ho an’ny mpampianatra ». Isan’ny nanamarika izany isika teto Madagasikara. Ny lohahevitra niompanan’ny fanamarihana dia ny hoe « Manomboka amin’ny mpampianatra ny fanovana ny fampianarana ». Marina tokoa izany satria tsy mahagaga raha potika ny fampianarana satria ny mpampianatra nianteherana ho fototry ny fiovan’ny fampianarana teto dia mahantra sy faralahin’olona eo anivon’ny fiaraha-monina amin’izao fotoana. Tsy mahagaga koa raha tsy ahitam-piovana ho amin’ny tsara ny fampianarana satria ny mpitondra fanjakana nifandimby teto hatrizay dia tsy nisy nanana politikam-pirenena momba ny fampianarana fa dika mitovy amin’ny any ivelany fotsiny.

Andapa

Olona roa nampandohalihana fa nanompa depiote

Tranga niseho tao Ambalamanasy II any Andapa izy ity. Nosamborina ny olona roa ka nampandohalihana ankalamanjana teo anoloan’ny lapan’ny tanàna satria nanompa ny depiote any an-toerana. Tsy fanajana ny tany tan-dalàna izany satria heloka voasazin’ny lalàna famaizana ny fanompana ka avelao ny fitsarana no hanasazy fa tsy afaka maka ny toeran’ny fitsarana na iza na iza.

Menabe Antimena

Potika ny androatokon’ny ala

Tato anatin’ny 12 taona, izany hoe hatramin’ny taona 2010 dia potika ny androatokon’ny ala any Antimena Menabe noho ny fandringanana sy doro-tanety. Ny 14.000 ha amin’ny velaran-tany 21.000 ha rakotra ala dia potika avokoa noho ny afo. Raha ny voalaza dia ireo mpifindra monina avy any amin’ny faritra atsimo no nahavanona nandripaka ny ala tany.

Fizahantany

Firenena fahasivy tsara aty Afrika i Madagasikara

Namoaka ny laharan’ireo firenena afrikana manintona mpizahatany be indrindra ho an’ny taona 2022 ny « Bloom Consulting » izay orin’asa mpanao fanadihadiana ny toa izany any Espana. Fantatra àry fa laharana fahasivy amin’ny firenena aty Afrika manintona mpizaha-tany be indrindra i Madagasikara. Tokony ho tsara lavitra noho izao hitantsika izao aza ny firenentsika, ka tsy ny fizahan-tany manintona ihany fa ny vahoaka miaina amim-piadanana sy fahafinaretana mihitsy raha matotra ny fitantanana ny firenena.

Nangonin’i Soarak

Lire aussi