La Gazette de la grande ile

Fampianarana : Niova anarana ny TIM Fanabeazana

Publié le 06 octobre 2022

Tsy  ny antokon’i Hajo Andrianainarivelo (Madagasikara miara mianga) no tiana ho lazaina amin’ity MMM ity izay fikambanana naorina hanao politika ao amin’ny ministeran’ny fampianarana. MMM (mpampianatra sy mpanabe  mivoatra) izay fikambanana natsangan’ny minisitrin’ny fampianarana  Marie Michelle  Sahondraharimalala.

Tsy afabela ity minisitrin’ny fampianarana ity amin’ny fanaovana politika. Tany amboalohany dia nanambara ramatoa minisitra fa tsy mpanao politika fa teknisianina ary “mission” na iraka ihany no ho tanterahany ao amin’ny ministeran’ny fampianarana. Tsy mety milaza izany iraka nampanaovina azy izany ity ramatoa ity fa tazoniny samy irery izany ho azy sy ny filoham-pirenena. Tafatsangana ny MMM  ho toa n’ny TIM Fanabeazana fahiny sy ny SEREMA (Sendika revolisionera Malagasy)

Ankehitriny dia mazava izany fa ny fananganana fikambanana izay miendrika politika no isan’ilay “mission” na iraka nampanaovina azy. Ny sendikan’ny Sempama-Nosy (sendikan’ny mpampianatra  sy mpanabe –Nosy ) ity no namboarimboarina dia navadika antoko politika indray ho ao amin’ny ministeran’ny fampianarana  ho entina hiatrehana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ny taona 2023 izao. Hiparitaka manerana an’i Madagasikara  ity fikambanana ity. Io izany no  “mission” manokana ankehitriny. Nivadika MMM avokoa ny mpiaa SEREMA sy ny TIM Fanabeazana ary sendika maro isan-karazany. Tsy azo antoka nefa izy ireo amin’ny fanohanana olona na firehan-kevitra.  Tsy azo antoka satria mpiaro ny tombotsoany fotsiny. Mamitaka ny fikambanana toa itony. Efa be izay hita sy nandalo teo izay fa tsy azo antenaina izy ireny.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi