La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday

Publié le 06 octobre 2022

Ho tapidalan-kaleha ny tandrefana

Ety ampanombohana dia anaovana fanamarihana tsara fa tsy natao hanomezana rariny ny Rosiana amin’ny ady any Iokraina ity matoandahatsoratra ity fa entina hisarihana ny fisainan’ny rehetra kosa hoe « ela nitoratorahana ve ny firenen-dehibe tandrefana ka hahavoa voamason’angatra amin’izay ? »

Manamarika izany izahay satria efa ho zato taona no nihevi-tena ho tompon’ny fahamarinana ny firenen-dehibe tandrefana ka mampiasa ny fitaovam-pilazam-baovaony an’izao antsanga tsy aman’orana rehetra izao. Matetika dia indraindraina tsy misy toa azy ny zava-bitan’ny tandrefana sy ny politika ataon’ny mpitondra tandrefana ary setrin’izany dia fokaina sy ambaniana, lazaina fa « manitsakitsaka ny zo maha-olona ny firenena hafa ankoatry ny tandrefana ». Voatondro voalohany amin’izany moa ny firenena tatsinanana ; ka i Rosia sy i Shina no voasoketa voalohany. Iantefan’ny fanamelohana mihitsy moa. Manaraka azy roa dia ireo firenena notantanin’ny filohany izay tsy nanaiky nobaikoin’ny tandrefana, toa an’i Saddam Houssein tany Irak sy i Kadafi tany Libia. Marihina koa fa tsy manome rariny ny tsy nety nataon’ireo filoha arabo roa ireo ny lahatsoratra fa te hanasongadina ny hafetsen-dratsin’ny tandrefana isika.

Tamin’ny nanafihan’ny Amerikana an’i Irak ve moa tsy natatatata maneran-tany fa « misy toby fanaovana fitaovam-piadiana mandripaka ny zanak’olombelona na « arme de destruction massive » ao Irak ? ». Rehefa tafita tany tamin’ny fananiham-bohitra fanaony ny Amerikana dia hatramin’ny androany, tsy mbola nisy porofo nasehon’ny amerikana momba an’io toby fanamboarana fitaovam-piadiana mandripaka ny zava-mananaina io ».

Amin’izao ady any Iokraina izao dia sahirana mafy ny any Iokraina satria nampanantenain’ny firenen-dehibe tandrefana hoe « hampiana » fa tsy hita akory izay fanampiana. Teren’ny firenen-dehibe ny any Iokraina mba hamono ny iokrainiana mba hanamelohana ny Rosiana fa vaky barara ny politika malotony.

Ny tontolo ara-toekarena no isan’ny mampikaikaika ny firenen-dehibe tandrefana satria niseho azy ho mahay ka tonga amin’ilay fitenenana hoe « kendan’ny vomanga nasesiky ny tanany ». Ny raharahan-tsolika, ohatra, dia nampitondra fahasahiranana ny vahoaka any amin’ireo firenena tandrefana ireo ny fepetra noraisin’ny mpitondra any. Hatramin’ny omaly dia filaharambe ny an’ny mpanjifa solika any Frantsa satria manantena ny ho fahatongavan’ny solika eo amin’ny toby fivarotana izy ireo. Mirazotra amin’izany ny tontolon’ny mofo sy ny varim-bazaha, izay tena foto-tsakafon’ny tandrefana koa.

Etsy ankilany, toa tsy taitra akory ny Rosiana fa vao mainka aza manao pi-maso ny firenena hafa izay maniry hividy solika any amin’ny vidiny mora. Ny varim-bazaha koa dia manana vahaolana ny Rosiana, ary misy amin’ny firenena madinika no efa manao fifanaraham-piaraha-miasa amin’i Rosia ho amin’ny fananganana fotodrafitrasa mamokatra any, toy ny foibe famokarana herin’aratra nokleary, toho-drano goavana fanondrahana tanimbary, foibe famokarana rano fisotro madio, sy ny maro tsy ho voatanisa.

Mifampitantana i Rosia sy i Shina amin’izao fotoana ka mampiseho finiavana fa raha vonona hiara-dia aminy i Afrika dia ho afaka eo ambany ziogan’ny tandrefana ary ho afaka ao anatin’ny fahantrany tsy ho ela.

Fanamarihana ankapobeny ihany ireo fa tsara ny mampivelatra ny fomba fijery mba tsy hihinanana ambolony sy mba hahafahana misafidy ny lalan-kizorana, na mahery vaika aza ny vaovao tsy tena marim-pototra abobobobon’ny filazam-baovao tandrefana.

Tohanana

Lire aussi